WFTW Body: 

Narovan'Andriamanitra ny aiko rehefa nianjera tamin'ny mobilety teny amin'ny lalamby aho indray andron'ny volana aogositra 1993. Mbola zazavao ilay olona mpampakatra sy mpampidina ny vavahadin'ny lalamby ary nampidininy ilay bara vy faharoa raha mbola tsy tonga tery am-pita aho dia nianjera teo amin'ny tratrako iny ka nampitsingidina ahy. Nivalampatra teo amin'ny lalamby aho, tsy nahatsiaro tena elaela, tsy fantatro na naharitra hafiriana. Nisy olona anankiray nibata ahy avy teo talohan'ny nandalovan'ny lamasinina. Ankehitriny dia mihevitra ny tenako ho toy ny olona nitsangana avy tamin'ny maty aho (satria mety nahafaty ahy iny loza iny).

Fampahatsiahivana ho ahy foana izany mandra-pahatapitry ny androko fa matoa aho velona dia noho Andriamanitra irery ihany. Tsy afaka mandany ny fotoanako sy ny heriko sy ny volako araka izay itiavako azy aho. Tsy afaka mamaky izay zavatra tiako hovakiana aho. Tsy afaka miteny izay teny tiako hotenenina aho. Ny za vatra rehetra dia tsy maintsy faritana amin'ny hoe manome voninahitra an'Andriamanitra sa tsia. Tsy mananosarotra anefa izany fiainana izany (arak'izay mety ho ampinoan'i Satana antsika), fa izany no fiainana be voninahitra indrindra azon'ny olona iainana, satria izany fiainana izany no niainan'ny Tompontsika. Ianao koa dia mety efa niharan'ny lozam-pifamoivoizana tahaka izany izay saika nahafaty anao. Kanefa ny anjelin'ny Tompo niaro anao. Noho izany dia tahaka ny manan-trosa amin'Andriamanitra ihany ianao. Deraina ny Tompo noho ny nanavotany ny aintsika. Enga anie isika hiaina tahaka ny olona efa nitsangana tamin'ny maty.

Ny tanako sy ny sandriko izay folaka taorian'ny loza nahazo ahy dia tafaverina tamin'ny laoniny ny 95 isan-jato tao anatin'ny telo herinandro monja. Tena fahagagana isaorako an'Andriamanitra izany. Anisan'ny zavatra nianarako nandritra ireo telo herinandro ireo ny fanaovana ho zava-dehibe na dia ny zavatra fanao mahazatra eo amin'ny fiainana toy ny fahafahana manandratra ny tanana hiderana an'Andriamanitra aza izay tsy vitako ny nanao azy nandritra ireo telo herinandro ireo. Sambany aho tao anatin'ny 54 taona no nisaotra an'Andriamanitra noho ny tombontsoa azoko nahafahako nanandratra ny tanako anankiroa niderako Azy. Talohan'izany dia tsy nataoko ho zava-dehibe loatra ny fahafahako nanao an'izany. Izany no nahatonga ahy ho olona feno fankasitrahana rehefa afaka nampiasa ny faritra rehetra amin'ny tenako, tahaka ny fahafahako mampiasa ny masoko, ny sofiko, ny lelako sy ny sisa …

Tsy maintsy mianatra mankasitraka sy misaotra an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra isika. Ny vavaka nataon'i Jona tao anatin'ny kibon'ilay hazandrano dia tena fianarana tsara indrindra ho antsika ( Jona 2). Na dia tao amin'izany toerana tery dia tery izany aza izy, sady nianjeran'ny ranom-bavonin'ilay hazandrano, dia nisaotra ny Tompo Jona tamin'ny namelany azy ho eo amin'io toerana io. Rehefa nanomboka nisaotra an'Andriamanitra ihany Jona vao nandidy an'ilay hazandrano Andriamanitra ary naloan'ilay hazandrano teny amin'ny tany maina Jona (Vakio tsara mihitsy Jona 2:9,10).

Noho izany dia aza mba be taraina noho amin'ny tranonao na noho ny sakafonao na noho ny zavatra mitranga aminao. Mahaiza ianao mankasitraka. Marobe ny ankizy no tsy mahay mankasitraka ny ray aman-dreniny na ny ao an-tokantranony mandra-pandehanany any amin'ny tontolo midadasika any ka ahitany amin'izay ny fahasarotan'ny fiainana. Ny fanahin'ny fankasitrahana dia afaka mamoaka anao avy ao anaty fonja maro, tahaka ny nanafahana an'i Jona.