WFTW Body: 

Andeha hojerentsika ny tantaran'ireo jamba roa lahy nanatona an'i Jesosy indray mandeha. Ao amin'ny Matio 9:27 dia vakiantsika fa nisy jamba roa lahy nanaraka an'i Jesosy ary niteny hoe : "Mamindrà fo aminay". Dia nanontanian'i Jesosy izy hoe : "Inona no tianareo hataoko aminareo" (mazava kokoa ao amin'ny filazantsaran'i Marka). Dia novaliany hoe "ny mba hampahiratina ny masonay!". Avy eo dia nametraka izao fanontaniana izao Jesosy ao amin'ny Matio 9:28 : "Mino va hianareo fa mahay manao izany Aho ?".

Fanontaniana goavana dia goavana izany. Fanontaniana lehibe apetraky ny Tompo izany isak'izay mangataka amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra nampanantenainy ho anao ianao. "Tompo ô, mangataka aho mba hampahiratina ireo masoko anankiroa", na "mba hositranina ny aretiko", na "mba ho afaka ity fahazaran-dratsiko ity", na "Tompo ô, mba te hahita asa aho", na koa "mba te hahazo trano". Marobe ny zavatra azontsika angatahina amin'Andriamanitra. Sahanin'Andriamanitra avokoa izay ilaintsika rehetra, na ara-panahy na ara-batana. Kanefa rehefa vitantsika ireo fangatahana amin'Andriamanitra ireo dia izao ny fanontaniana hapetraky ny Tompo amintsika : "Mino va hianao fa mahay manao izany Aho ?". Jesosy no miteny an'zany.

Fantatrao ve fa ny zavatra ataon'ny Tompo ho antsika dia izay arakaraky ny finoantsika fa tsy izay arakaraky ny fahaizan'ny Tompo ? Raha tsy manana finoana ianao dia tsy hahita ny zavatra tian'ny Tompo hiainanao na dia mahay manao mihoatra noho izay angatahinao aza Izy. Tsy hahazo valim-bavaka afa tsy hatreo amin'izay takatry ny finoanao ihany ianao.

Eritrereto raha izao no navalin'ilay jamba voalohany : "Eny Tompo, tena sambatra aho raha vitanao ny mampahiratra ny masoko an'ila. Izay fotsiny ny ahy dia efa ampy ahy. Veloko ny tenako raha mahiratra ny masoko anankiray ary mino aho fa mahay manao izany Hianao". Hamaly azy ny Tompo araka ny voalazany ao amin'ny andininy Matio 9:29 hoe "Tongava aminao araka ny finoanao". Tsy hoe "Tongava aminao araka ny fahaizako manao izany" fa "araka ny finoanao". Hivoaka ny trano iny jamba iny miaraka amin'ny maso ilany mahita sy ny maso ilany jamba. Eny efa tsara aloha ary mahafinaritra tokoa raha mahiratra na dia maso anankiray aza ho an'ny olona jamba.

Dia eritrereto indray avy eo hoe manatona ilay jamba faharoa dia mitovy ihany ny fanontaniana apetraky ny Tompo aminy "Mino ve hianao fa mahay manao izany Aho ?". Dia mamaly izy "Eny tokoa Tompo, mino aho fa hainao ny mampahiratra ny masoko roa! Tsy misy tsy hainao atao ?". Dia nahiratra ireo masony anankiroa. Raha mifanena izao izy sy ilay jamba voalohany (ilay tsy manana afa tsy maro iray mahiratra) dia hanontany azy ilay jamba voalohany hoe "Oadray fa ahoana no nampahiratra ny masonao ankiroa ! Tena fampianaran-diso mihitsy izany anao izany !". Tsotra ny valinteny. Tsy fampianaran-diso izany. Nanam-pinoana kokoa noho ilay jamba voalohany fotsiny ilay jamba faharoa.

Ireo maso anankiroa ireo dia azontsika oharina amin'ny famelana ny fahotana sy ny famonjena amin'ny fahotana. Ilay olona anankiray nahazo an'izy roa fa ilay iray tsy nahazo afa-tsy itsy voalohany ihany. Inona no nahatonga izany ? Moa ve niangaran'Andriamanitra ilay olona anankiray ? Moa ve mendrika kokoa ilay olona anankiray ? Tsia. Nanana finoana fotsiny izy ninoany an'ireo fampanantenan'i Kristy rehetra ho azy. Izay manana finoana hoe mahay mamela ny helony Kristy dia mahazo izany famelan-keloka izany. Izay tsy mino akory hoe mahay mamela ny helony i Kristy dia tsy hahazo famelan-keloka.

Marobe ny olona tahaka izany eto amin'izao tontolo izao. Misy olona mino fa hamela ny helony i Kristy dia mahazo famelan-keloka izy. Ny olona iray hafa manana finoana ny "maso anankiroa" : tsy mamela ny heloko fotsiny ihany Kristy fa mahay manafaka ahy amin'ny fahazaran-dratsiko koa. Dia azony izy anankiroa. Ary raha misy olona mitory hoe sady mahay mamela ny fahotantsika i Kristy no mahay manafaka antsika amin'ny fahotana dia holazain'ireo olona tsy nahazo afa tsy famelan-keloka fa fampianaran-diso izany fanafahana lehibe izany. Satria zavatra mbola tsy niainany izany dia lazainy fa tsy azo atao. Lazain'izy ireo fa tsy misy olona nafahana tamin'ny fahotana izany. Kanefa ny fanontaniana dia tsy hoe hain'ny olombelona atao ve. Ny fanontaniana dia hoe hain'Andriamanitra atao ve ?

Lazain'i Jesosy fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra. Be dia be ny zavatra tsy hain'ny olombelona. Tsy hain'ny olona ny mandray famelan-keloka raha tsy amin'ny herin'Andriamanitra. Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra. Azafady mba tadidio fa raha misy zavatra tsy iainanao kanefa iainan'ny hafa dia tsy voatery midika izany fa mivoy fampianaran-diso ilay olona. Fa mety hoe ny finoanao no tsy mahatratra ny azy.

Andeha isika hampiasa fanoharana hafa. Eritrereto hoe avy ny orana nefa tapaka ny rano ao amin'ny tanàna anankiray. Koa mananty rano avokoa ny olona rehetra. Raha misy olona mivoaka mametraka kaopy kely eo ivelan'ny tranony dia firy litatra ny rano azony ? Iray kaopy fotsiny. Raha misy olona iray hafa mivoaka mametraka koveta dia firy litatra ny rano azony ? Iray koveta be. Samy hafa ve ny iray kaopy sy ny iray koveta ? Samy hafa tokoa ! Mety hiteny ilay olona nahazo iray kaopy hoe "Fa mba ahoana no nahazoanao rano iray koveta be ? Tena niangaran'Andriamanitra ianao, nandatsahany orana betsaka kokoa tany aminao!". Hamaly ilay nitanty rano tamin'ny koveta hoe "Tsia, mitovy ihany ny habetsaky ny ranonorana azontsika ry rahalahy fa kaopy kely no nitantazanao ! Izay no takatry ny finoanao dia izay ihany koa no azonao".

Ny zavatra raisintsika avy amin'Andriamanitra dia izay arakaraky ny finoantsika. Tsy misy fetrany ny fitahian'Andriamanitra. Voalaza ao amin'ny Efesiana 1:3 fa Andriamanitra dia efa "nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra". Izany hoe efa nomeny antsika ny fitahiana rehetra avy amin'ny Fanahy Masina mba hanafaka antsika amin'ny fahotana rehetra sy ny fahazaran-dratsy rehetra izay nolovaintsika tamin'i Adama razambentsika. Kanefa ny fanontaniana apetraky ny Tompo amintsika androany dia izao : "Mino ve ianao fa mahay manao izany Aho?"