Izao no vakiantsika ao amin'ny Apok. 2:12-17 "Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Pergamosy : Izao no lazain'Ilay manana ny sabatra roa lela maranitra : Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana ; ary mitana mafy ny anarako hianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana …"
Tena tanàna ratsy loatra i Pergamosy koa nolazain'ny Tompo fa tao no nisy ny foibem-panjakan'i Satana tety an-tany. Indroa izany no voasoratra ao amin'ny Apok. 2:13. Ary tao afovoan'io tanàna io mihitsy no naorin'ny Tompo ny fiangonany.
Hoy ny Tompo taminy "Fantatro izay onenanao". Fantatry ny Tompo tsara mihitsy ny toerana onenantsika sy ny toe-javatra andalovantsika. Ary mahatahiry antsika ho madio sy mpandresy ny Tompo na dia monina eo amin'ny toerana misy ny seza fiandrianan'i Satana aza isika. Amin'ny alalan'ny sabatry ny Fanahy koa dia afaka mandresy isika.
Tsy hisy mihitsy fanaovan-jiro ka hitaraina hoe tsy afaka mirehitra aho fa maizina loatra ny manodidina ahy. Ny famirapiratan'ny jiro dia tsy misy ifandraisany amin'ny manodidina azy fa miankina amin'ny habetsaky ny solika ao anatiny irery ihany.
Tsy misy hafa amin'izany koa ny fiangonana na aiza na aiza toerana misy azy. Mety ratsy ny toe-javatra manodidina azy. Mety ao amin'ilay tanàna no itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana. Kanefa raha feno ny soliky ny Fanahy Masina ny fiangonana dia hamirapiratra aok'izany ny hazavany. Raha ny marina dia arakaraky ny maha-maizimpito ny manodidina no vao mainka mampamirapiratra ny hazavana hita ao ! Amin'ny alina no ahitana ny kintana, fa tsy amin'ny antoandro.
Noderain'ny Tompo io fiangonana io noho izy nitàna mafy ny Anarany ka tsy nandà ny finoana Azy tao anatin'ny fanenjehana. Notononin'ny Tompo manokana i Antipasy izay vavolombelona mahatoky ka nahafoy ny ainy noho ny finoany.
Antipasy dia anisan'ireo nijoro niaro ny fahamarinan'Andriamanitra na voatery hijoro irery aza izy. Olona nijoro tamin'ny fahatokiana sy fahasahiana izy ary tsy nila sitraka tamin'olona. Ny olona mahafantatra an'Andriamanitra dia tsy miherikerika mijery hoe firy ny olona mitovy finoana aminy. Vonona izy ny hijoro irery ho an'ny Tompo sy hanohitra ny olona rehetra eto an-tany raha ilaina. Lehilahy tahaka izany i Antipasy. Ary vokatr'izany dia novonoina izy.
Raha toa i Antipasy ka nila sitraka tamin'olona dia ho afa-niala tamin'ny fahafatesana izy. Novonoina izy satria nijoro tsy nilefitra niaro ny fahamarinana nomen'ny fanambaran'Andriamanitra. Angamba izy nantsoin'ny olona hoe tery saina, mafy hatoka, sarotra ihavanana ary tsy salama saina. Kanefa tsy nampaninona azy izany. Niorina tsara ho an'ny Tompo fotsiny izy, notoheriny izay mety ho fahotana, notoheriny ny fanaon'izao tontolo izao, ny tsi-fiorenan'ny saina, ny tsi-fankatoavana an'Andriamanitra ary notoheriny ny devoly. Nandrahona ny fanjakan'i Satana izany lehilahy izany.
Angamba noho i Antipasy nipetraka tao Pergamosy no nahatonga an'i Satana hametraka ny seza fiandrianany tao. Tsy maintsy lehilahy niavaka tokoa i Antipasy matoa natahoran'i Satana tahaka izany !
Ankehitriny dia mila olona tahaka an'i Antipasy Andriamanitra any amin'ny toerana rehetra. Efa antomotra ny fotoana izay tsy maintsy hanefantsika ny vidin'ny finoantsika. Ny fivavahana kristiana babyloniana rehetra manodidina antsika dia hanaiky lembenana ka hiankohoka eo amin'ny Antikristy. Moa ve isika amin'izay andro izay hiorina mafy tahaka an'i Antipasy ? Sa handohalika eo amin'i Satana mba hanavotana ny aina ? Efa resy lahatra ve isika fa aleo mihitsy mahafoy ny aina ho an'ny fahamarinan'Andriamanitra ?
Ankehitriny dia mizaha toetra antsika amin'ny fitsapana madinika maro Andriamanitra. Rehefa mahatoky amin'ireny fitsapana madinika ireny ihany isika vao ho tonga mahatoky amin'ny fitsapana lehibe kokoa izay ho avy. Hianao dia tokony heverin'i Satana hoe fandrahonana ho an'ny fanjakany ka hafindrany ao amin'ny tanàna misy anao mihitsy ny seza fiandrianany.
Ny zavatra mampalahelo dia very ny fiainam-panahin'io fiangonana tao Pergamosy io rehefa maty Antipasy. Angamba i Antipasy no anjelin'ny fiangonana tao fony fahavelony. Rehefa maty izy dia olon-kafa no nisolo azy ka nanomboka nikorosy fahana ilay fiangonana. Izany no tantara mampalahelo mikasika ny fiangonana maro.