Fifohazam-panahy hala-tahaka

written_by :   Zac Poonen categories :   Ara-pivavahana ? Ara-panahy
Article Body: 

Jesosy sy ireo apostoliny dia tsy nitsahatra nampitandrina antsika fa ny toetra mampiavaka ny andro farany dia ny fielezan'ny famitahana sy ny firoboroboan'ny mpaminany sandoka (Matio 24:3-5,11,24 ; 1 Tim. 4:1) ary efa hitantsika tato anatin'ny folotaona vitsivitsy izay fa efa nihanaka be tokoa izy ireny.

Nahoana moa ny kristiana anapitrisany maro no voafitak'ireny mpaminany sandoka sy ireny "fifohazam-panahy" hala-tahaka ireny ? Ary nahoana koa moa no marobe ireo mpitoriteny no lavon'ny fijangajangana sy ny fieremana ?

Ireto voalaza manaraka ireto no hitako fa anisan'ny antony lehibe niteraka izany :

1. Ny ankamaroan'ny kristiana amin'izao andro izao dia tsy mahafantatra akory izay ampianarin'ny Testamenta Vaovao, satria tsy tena ifotorany ny fianarana azy. Noho izany dia aleony manaraka ny fampianarana omen'ireo mpitarika azy toa izay ny fampianarana omen'ny Testamenta Vaovao.

2. Ny fahagagana (fanomezam-pahasoavana tsy voajanahary) no ataon'ireo kristiana ireo zavadehibe kokoa noho ny toe-piainan'ireo mpanao fahagagana (fiainana tsy voajanahary).

3. Ny harena ara-materialy no efa lasa manan-danja kokoa ho an'ireo kristiana ireo noho ny harena ara-panahy.

4. Tsy hain'ireo kristiana ireo ny manavaka ny fitroarana sy ny fanangolena ara-tsaina, amin'ny tena hetsiky ny Fanahy Masina. Ny antony dia mbola ny tsy fahaizana ny Testamenta Vaovao ihany.

5. Tsy hain'ireo kristiana ireo ny manavaka ny fitsaboam-batana amin'ny alalan'ny toetsaina (fahaizana manamboatra saina), amin'ny fanasitranana tsy voajanahary raisina avy amin'ny anaran'i Jesosy.

6. Ny fitaintainam-po sy ny fisehoan-javatra hafahafa eo amin'ny vatantena no efa nataony zavadehibe kokoa noho ny fifaliana anaty avy amin'ny Tompo.

7. Ho an'ireo mpitarika dia ny asa fanompoana ataony ho an'ny olona no zavadehibe aminy kokoa noho ny fifankazahoany am-po amin'Andriamanitra.

8. Ho an'ireo mpitarika dia ny fankasitrahan'ny olona no zavadehibe kokoa noho ny fankasitrahan'Andriamanitra

9. Ho an'izy ireo dia ny habetsaky ny olona manatrika fivoriana no zavadehibe kokoa noho ny fahafantarana hoe iza amin'ireo olona ireo no efa nanolo-tena tanteraka ho an'i Kristy.

10. Ho an'ireo mpitarika ireo ihany dia ny fanorenana fanjakana sy laza ho an'ny tenany sy ho an'ny volany no zavadehibe kokoa noho ny fanorenana fiangonana hanaovana asam-panompoana. (Jeremia 6:13).

Izany rehetra izany dia MIFANOHITRA TANTERAKA amin'izay zavatra nampinarin'i Jesosy. Ny mifanohitra amin'i Kristy dia antsoina hoe „ antikristy" ao amin'ny Testamenta Vaovao. Raha toa ka tsy mazava tsara amin'ny kristiana izany zavatra izany dia izao no hitranga : rehefa ho avy ny andron'ny Antikristy eto amin'izao tontolo izao, miaraka amin'ireo famantarana sy fahagagana sandoka (2 Tesa 2:3-10), dia hanaraka azy ambokony ny kristiana. Ny atao hoe tarihin'ny Fanahin'i Kristy dia manana fanahy mifanohitra tanteraka amin'ireo voatanisa rehetra eo ambony ireo.

Ity misy fandikana malalaka ny teny nataon'i Jesosy ao amin'ny Matio 7:13-27 (araka ny zava-nitranga tamin'izany fotoanan'ny Matio toko 5 hatramin'ny 7 izany) :

„Na ny vavahady na ny lalana mankany amin'ny FIAINANA MANDRAKIZAY dia samy tery avokoa, araka ireo vao avy nosoratako teo ireo (Matio 5-7). Hisy anefa mpaminany sandoka izay ho avy handrebireby anareo sy hilaza fa tsy marina izany fa mora foana ny miditra eo amin'ny vavahady sady migodana be ny lalana. Mitandrema ianareo amin'ireny olona ireny. Mora foana ny ahafantaranareo azy ireny, jereo tsara ny voa izay vokatry ny toe-piainany : Efa tsy misy fahatezerana intsony ve eo amin'ny fiainany ? Efa tsy misy filàna vehivavy intsony ve, tsy misy fitiavam-bola ary tsy misy fitaintainana ateraky ny fitadiavan-karena (izay tadiavin'ny olon'izao tontolo izao)? Moa ny toriteniny ve manohitra mafy ireo zavatra voalaza tery aloha ireo, tahaka izao ataoko aminareo izao ? (Matio 5:21-32 sy 6:24-34). Mety hahay mampiseho fanomezam-pahasoavana sy fahagagana tsy voajanahary ireo mpaminany sandoka ireo ary mety hanasitrana olona tokoa amin'ny Anarako, kanefa, amin'ny andro farany dia tsy maintsy halefako any amin'ny helo tokoa izy rehetra satria tsy nahafantatra Ahy (amin'ny maha IRAY MASINA AHY) ary tsy mba nialàny akory izay fahotana nisy tao amin'ny fiainany manokana. (Matio 7:21-23). Koa raha tianareo ny hanorina fiangonana eo ambony vatolampy, izay fiangonana tsy hisy hahahozongozona ary tsy hirodana mandrakizay, dia tanteraho an-tsakany sy an-davany ireo zavatra rehetra noresahiko taminareo ireo (Matio faha 5 hatramin'ny 7) ary ampianaro ny mpiangona hanao izay rehetra nandidiako anareo koa. Raha izany no hataonareo dia homba anareo mandrakariva Aho ary ny Fahefako dia hanohana anareo lalandava (Matio 28:20,18). Fa raha mpihaino fotsiny ianareo fa tsy mankato izay lazaiko, na dia miezinezina amin'ny fijerin'ny olona aza ny fiangonana aorinareo, dia tsy maintsy hikoro sy hianjera izany indray andro any (Matio 7:25)."

Koa ahoana ary izany no fomba hanorenana fiangonana tsy azo ozongozonina amin'izao andro farany izao ?

1. Tsy maintsy iainantsika ny toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra (Matio 5 hatramin'ny7) ary tsy maintsy toriantsika tsy miato koa.

2. Tsy maintsy miaina ao anatin'ny fanekena vaovao isika fa tsy miaina ao anatin'ny fanekena taloha. Mba hanatanterahantsika izany dia tsy maintsy fantatsika mazava tsara ny tsi-fitovian'ireo fanekena anankiroa ireo (2 Kor. 3:6). Tsy maintsy toriantsika koa ny fanekena vaovao.

Rehefa lavon'ny fahotana bevava ny mpitory fivavahana ankehitriny, dia manamarin-tena izy ka ohariny amin'ireo olomasina tao amin'ny Testamenta Taloha izay lavon'ny fahotana ny tenany ary noho izany dia maivamaivana ery ny eritreriny. Ary rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana elaela izy dia miverina soa aman-tsara mitory teny indray. Tanisainy amin'izany ohatra i Davita izay nijangajanga, i Elia izay resin'ny hakiviana, sady ampiany hoe „kanefa mbola nampiasain'Andriamanitra ihany izy ireny"! Fa tsy mba ry Paoly no alainy atao ohatra, Paoly izay nanana fiainam-pandresena sy fiainam-pahadiovana mandrapahafatiny.

Ny zavatra tsy hitan'ireo mpitory ireo (sy ny ankamaroan'ny kristiana) dia izao, ny olomasina tao amin'ny Testamenta Taloha ange ka TSY fianarana ho antsika ankehitriny e. Efa nomena zavatra be dia be isika amin'izao androm-pahasoavana izao, ary „ ho an'izay nomena be, dia be no ho tadiavina aminy" (Lioka 12:48). Ao amin'ny fanekena VAOVAO dia Jesosy no Mpanelanelana, ary amin'izao androntsika izao dia IZY no fianarana ho antsika sady Tompon'ny finoantsika, fa tsy Davida na Elia tsy akory. Ny mahasamy hafa ireo olomasina tao amin'ny Testamenta Taloha (voatanisa ao amin'ny Hebreo 11) sy Jesosy dia voambara mazava tsara ao amin'ny Hebreo 12:1-4. Kanefa vitsy dia vitsy ny olona no miaina izany amin'ny fomba azo tsapaintanana. Vitsy dia vitsy no efa nahita fa „Andriamanitra efa nanomana zavatra TSARA KOKOA ho antsika" ao amin'ny fanekena vaovao (Hebreo 11:40).

Isika tsirairay avy dia mety ho lavo tahaka ny nahalavo ireny mpitory teny ireny koa, raha toa ka tsy miambina sy mitandrina mafy isika, satria fahavalo tena fetsy tokoa Satana. Ny fiarovana ho antsika dia ao amin'ny fankatoavantsika antsakany sy andavany ny fampianarana omen'ny Testamenta Vaovao ary koa ao amin'ny fanekentsika mpitarika efa olon'Andriamanitra. ( Ny ataoko hoe mpitarika efa olon'Andriamanitra dia olona izay tsy manana na iray aza amin'ireo fahadisoan-kevitra folo notanisaiko tery aloha ). Raha haintsika ny manatsoaka lesona avy amin'ny fahadisoan'ny hafa dia tsy hamerina ny fahadisoana nataony isika.

Koa aoka ary hatohotsika eo amin'ny vovoka eo anatrehan'Andriamanitra mandrakariva ny tavantsika, fa eo no handraisantsika ny fanehoan-javatra avy amin'Andriamanitra, tahaka izay nataon'i Jaona (Apo. 1:17). Raha manetry tena isika, dia handray ny fahasoavana izay hampandresy antsika (1 Petera 5:5). Ary rehefa asehon'ny Fanahy Masina amintsika ny fahamarinanaao amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fahamarinana mikasika antsika dia aoka isika hiaiky amin'ny hitsim-po tanteraka sy „ho tia ny fahamarinana, mba ho voavonjy" amin'ny fahotana rehetra. Raha manao izany isika dia Andriamanitra mihitsy no hiaro antsika amin'ny famitahana rehetra (2 Tesa. 2:10,11). Amena.