Hafatra Mazavan’ny Filazantsara

written_by :   Zac Poonen categories :   Fahamarinana Fototra Mpikaroka
Article Body: 

Ato anatin'ity lahatsoratra ity dia tiako ny hitondra fanazavana ho anao ny amin'ny atao hoe « nateraka indray », izany hoe « voavonjy ».

Ny fibebahana no dingana voalohany ahatongavana amin'izany andram-piainana (na expérience) izany. Mba hanatontosanao tsara ny fibebahanao anefa (izany hoe ny fialanao amin'ny fahotana) dia mila mahafantatra ny atao hoe fahotana aloha ianao. Ankehitriny, eo anivon'ny kristiana maro, dia be dia be ny hevidiso ny amin'ny fahalalan'ny olona ny atao hoe fibebahana satria be dia be ny hevidiso ny amin'ny fahalalan'ny olona ny atao hoe fahotana.

Ny fomba iainan'ny olona ny maha kristiana azy dia efa tafidina ambany dia ambany tato anatin'ny folo taona vitsy izay. Ny « filazantsara », izay torin'ny ankabeazan'ny mpitoriteny ankehitriny dia fahamarinana voatampo-drano ka efa tonga matsatso. Asaina mino an'i Jesosy fotsiny ny olona. Kanefa raha ny finoana an'i Jesosy fotsiny dia tsy hahavonjy ny olona, raha tsy mibebaka izy.

Fahaterahana indray no fototra iorenan'ny fiainana kristiana. Na dia mendrika aza ny fiainanao, kanefa tsy mbola napetrakao io fanorenana io, dia mitovy tsy misy valaka amin'ny an'ny fivavahana hafa rehetra eto amin'izao tontolo izao ihany ny maha kristiana anao. Ny antony dia satria izy rehetra ireny dia mba mampianatra ny olona hanana fiainana mendrika koa. Eny, tsy maintsy ananantsika tokoa ny fiainana mendrika, kanefa izany dia ny vatan-tranon'ny fiainana kristiana, fa tsy ny fototra iorenany tsy akory. Ny fototra iorenana dia fahaterahana indray. Ka eo aloha no toerana tsy maintsy iaingantsika rehetra.

Jesosy no nampiasa io teny hoe « ateraka indray » io, ao amin'i Jaona 3:3 rehefa niresaka tamin'i Nikodemosy Izy. Nikodemosy dia mpitondra fivavahana tamin'izany fotoana izany sady lehilahy nahitsy sy natahotra an'Andriamanitra. Kanefa olona toy izany no mbola nitenenan'i Jesosy hoe « Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra » (Jaona 3:3). Mazava amin'izany fa raha te hiditra ny fanjakan'Andriamanitra ianao dia mila ateraky ny fanahy, na dia olona efa mendrika aza !! Dia nilaza koa Jesosy fa hasandratra eo amin'ny hazo fijaliana Izy (Jesosy) mba ho faty ary izay rehetra mino Azy dia hanana ny fiainana mandrakizay (Jaona 3 : 14,16).

Mbola notohizan'i Jesosy ihany ny teniny hoe naleon'ny olona ny aizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany (Jaona 3:19). Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava ary voavonjy (Jaona 3:21). Raha tianao ny ateraka indray dia tsy maintsy manatona ny mazava ianao. Ny atao hoe manatona ny mazava dia mitsotra ny marina rehetra amin'Andriamanitra ka miaiky ny fahotanao eo anatrehany. Mazava ho azy fa tsy ho ary tadidinao avokoa izay fahotana rehetra efa nataonao. Nefa tsy maintsy manaiky kosa ianao fa mpanota ary tsy maintsy milaza amin'Andriamanitra izay fahotana rehetra tonga ao an-tsainao.

Ny fahotana dia zavatra miezinezina, koa amin'ny voalohany dia ampahany kely dia kely monja amin'ireo fahotana eo amin'ny fiainanao ihany aloha no hitanao. Izany dia azonao oharina amin'ny fipetrahanao eo amin'ny tany midadasika be ka ampahany kely fotsiny amin'ny taninao no mba efa hitanao. Kanefa arakaraky ny ialanao amin'ireo fahotana fantatrao, no hahitanao miandalana ireo « tanin'ny fahotana » hafa eo amin'ny fiainanao. Arakaraky ny handehananao eo amin'ny mazava no hahitanao misimisy kokoa ireo fahotanao. Ary dia ho azonao atao ny manadio ny tenanao bebe kokoa hatrany amin'ny fialanao amin'ireny fahotana hitanao ireny. Noho izany dia tsy maintsy mandeha amin'ny fahamarinana eo anatrehan'Andriamanitra ianao amin'ny fotoana rehetra.

Andeha hampiasa fanoharana iray hafa isika. Mipetraka ao amin'ny trano anankiray ianao ary maloto be avokoa ny efitra rehetra ao amin'ilay trano. Satrinao anefa mba hiara-hipetraka aminao ao Jesosy Tompo. Izy anefa tsy afaka miaina ao anaty fahavoretrana. Noho izany dia ampiany ianao hanadio ny efitrano rehetra, asesy tsirairay. Miandalana ny fanadiovana ary farany dia madio avokoa ny trano iray manontolo. Tahaka izany no fomba itomboantsika amin'ny fahamasinana ao amin'ny fiainana kristiana.

Indray mandeha ny Apostoly Paoly dia nilaza fa na aiza na aiza alehany dia izao foana no hafatra toriany amin'ny olona « Ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika » (Asa 20:21). Ireo zavatra roa loha ireo no takiana aminao raha tianao ny hametraka fanorenana tsara eo amin'ny fiainanao sy mba hahatonga anao ho nateraka indray. Andriamanitra no efa nanakambana ny fibebahana sy ny finoana. Kanefa ny ankamaroan'ireo mpitory kristiana dia efa nampisaraka azy roroa ireo. Ny fibebahana moa dia efa natao tsara pirina ka tsy torian'ny mpitory ny filazantsara intsony ankehitriny. Ny finoana ihany sisa mbola torian'ny ankamaroan'izy ireny.

Raha finoana fotsiny anefa no anananao, dia tsy afaka ateraka indray ianao. Izany dia mitovy amin'ny filazana hoe ny vehivavy irery dia tsy afaka hitoe-jaza, na toa inona na toa inona fiezahany. Ny lehilahy dia tsy afaka hanan-janaka velively koa raha izy irery. Ny lehilahy sy ny vehivavy no tsy maintsy mikambana vao afaka misy zaza ateraka. Torak'izany koa, rehefa tafakambana amin'ny fibebahana ihany ny finoana vao afaka misy zaza ara-panahy ateraka, amin'izay fotoana izay mantsy vao mahazo toerana ao amin'ny fanahinao ny fahateraham-baovao. Izany fahaterahana ara-panahy izany dia tena misy tokoa sahala amin'ny fisian'ny fahaterahana ara-batana, sady poa toa izay ny fisehony fa tsy miandalana akory.

Mety maharitra am-bolana maro ny fanomanana ny fahateraham-baovao, izay tena mitovy amin'ny fanomanana ny fahaterahan'ny zaza ao an-kibo mandritra ny volana maro. Nefa kosa ny fahaterahan'ilay zaza ara-panahy kosa (tahaka ny fahaterahan'ny zaza ara-batana) dia eo no ho eo ihany. Misy kristiana izay tsy mahalala ny daty nahaterahany ara-panahy. Ny ahy ohatra tsy fantatro ny andro nahaterahako ara-panahy. Izany dia tahaka ny tsy fahafantarana ny daty nahaterahan'ny olona anankiray. Tsy dia mampaninona izany, rehefa velona ny zaza dia izay no tena zava-dehibe !! Dia torak'izany koa, ny zavatra faratampony indrindra dia ny fahazoanao antoka fa efa velona ao amin'i Kristy ianao androany.

Moa olona tery saina ve isika rehefa milaza fa Jesosy irery no hany lalana mankany amin'Andriamanitra ?

Mamelà ahy hamaly izany amin'ny alalan'ny fanoharana : Raha misy olona izay tsy mbola nahita ny dadanay mihitsy (tsy mbola hitany na dia ny sarin'ny dadanay aza), dia tsy ho azony an-tsaina mihitsy hoe ohatra an'iza moa ny dadanay. Dia torak'izany koa isika, tsy mbola nisy nahita an'Andriamanitra isika koa dia tsy misy fantatsika na inona na inona momba Azy, na ny lalana ankanesana any aminy. Jesosy Kristy kosa anefa dia avy any amin'Andriamanitra. Ary noho izany dia Izy irery ihany no afaka manoro antsika ny lalana mankany amin'Andriamanitra. Izao no nambaran'i Jesosy Kristy « Izaho no lalana, tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa tsy amin'ny alalako » (Jaona 14:6).

Rehefa misaintsaina izany fanambarana nataon'i Jesosy izany isika fa Izy no LALANA TOKANA mankany amin'Andriamanitra Ray, dia zavatra roa no tsy maintsy lazaintsika. Na Izy nilaza ny marina, na Izy mpandainga sady mpamitaka. Iza no sahy hilaza fa mpandainga Izy na mpamitaka ? Tsy ampy ny milaza fotsiny hoe Jesosy dia lehilahy tsara fanahy na Jesosy dia mpaminany. Tsia, Andriamanitra mihitsy Izy, fa tsy lehilahy tsara fanahy fotsiny. Tsy azo lazaina ho olona tsara fanahy velively Izy raha toa ka mpandainga na mpamitaka. Koa azontsika tsoahina avy amin'izany fa Jesosy dia tena Andriamanitra naka endrik'olombelona.

Ny marina rehetra dia tery saina avokoa. Ao amin'ny matematika ny 2 ampiana 2 dia mira 4 foana. Tsy afaka halala-tsaina be isika ka hanao hoe na 3 na 5 ny valin'ny 2 + 2 dia ekena ho marina avokoa. Tsy hekentsika ho valiny marina na dia 3,9999 aza. Satria raha manaiky an'izany fiovaovan'ny marina izany isika dia ho diso avokoa ny asamarika rehetra ataontsika. Mitovy amin'izany ihany koa, fantatsika fa ny tany no miodina manodidina ny masoandro. Raha misafidy ny ho « malalatsaina » isika ka hanaiky ny hevitr'ireo olona izay milaza fa ny masoandro no miodina manodidina ny tany, dia ho diso avokoa ny valin'ny kajy ataon'ny mpahay hainkintana (astronomie). Ao amin'ny taranja simia koa dia tsy misy hafa amin'izany ihany, ny H2O dia atao hoe rano. Tsy azontsika atao ny mampalalaka ny saintsika ka hiteny hoe ny H2O koa dia atao hoe sira !! Hitantsika amin'izany fa ny marina dia tsy iadian-kevitra na amin'ny sehatra inona na amin'ny sehatra inona sady tena tery saina. Tsy miova izany na dia amin'ny momba an'Andriamanitra aza. Ny fahalalahan-tsaina dia mety hiteraka fahadisoana bevava na amin'ny resaka matematika, na hainkintana, na simia, eny na dia amin'ny fahalalana ny marina momba an'Andriamanitra koa aza.

Ampianarin'ny Baiboly fa ny olombelona rehetra dia mpanota avokoa, ampianariny koa fa Jesosy dia maty ho an'ny mpanota. Noho izany, raha amin'ny maha- « kristiana » anao no anatonanao an'i Jesosy dia tsy hamela ny helokao Izy, satria tsy maty ho an'ny kristiana Izy !! Ho an'ny mpanota no nahafatesany. Ny olona tokana hany azo avela heloka dia izay manatona an'i Jesosy sy miaiky hoe « Tompo o, mpanota aho ». Tsy afaka manatona an'i Jesosy ianao amin'ny maha mpikambana ao amin'ny antokom-pivavahana anao mba handraisanao famelan-keloka, satria ho an'ny mpanota no nahafatesany. Fa raha manatona Azy ianao amin'ny maha-mpanota anao, dia havelany eo no ho eo ihany ny helokao.

Mora amintsika rehetra ny mahafantatra fa mpanota isika, satria samy efa nomen'Andriamanitra fieritreretana avy isika. Ny ankizy kely dia manana fieritreretana malady be. Tonga dia fantatr'izy ireo avy hatrany raha vao manao hadisoana izy. Rehefa mihalehibe anefa ny ankizy, dia mihamafy sy mihadonto ny fieritreretany. Rehefa mandainga ohatra ny zazakely 3 taona dia asehon'ny tontalin'endriny fa mandainga izy satria manameloka azy ny fieritreretany. Fa 15 taona aty aoriana kosa, tsy mitsiky izy mijery anao sady mandainga ankitsirano izao. Ny antony dia satria efa novonoiny ny fieritreretany, imbetsaka mantsy no tsy nihainoany ny feon'ny fieritreretany. Ny faladian'ny zazakely dia malemilemy kely ka na safoina amin'ny volomborona aza dia henony avy hatrany. Fa ny faladian'ny olon-dehibe kosa efa mafy be ka tsy henony akory na ny tsindrom-paingotra aza raha tsy tsindriana mafimafy. Toy izany koa ny mitranga amin'ny fieritreretan'ny olona rehefa mihalehibe izy.

Ny fieritreretana dia feo napetrak'Andriamanitra ao anatintsika. Lazain'io feo io fa tokony hanaraka fitsipi-pitondrantena (na moraly) isika. Ampahafantarin'io feon'ny fieritreretana io amintsika amin'ny fomba tsotra ny zavatra mety sy ny tsy mety. Azo lazaina izany fa fanomezana mahasoa avy amin'Andriamanitra ny fieritreretana. Ny iantsoan'i Jesosy azy dia « ny mason'ny fo » (Lioka 11:34). Koa raha tsy kojakojaintsika tsara io « maso » io, dia ho jamba ara-panahy isika indray andro any. Ny tsi-firaharahiana ny fanenjehan'ny fieritreretana dia mety hamoa-doza tahaka ny tsy firaharahiana ny vovoka manditsoka ny masontsika, indray andro any ianao dia tena ho jamba tanteraka mihitsy, ho jamba ara-panahy.

Raha vao teraka ny zaza dia tsy misy amin'izy ireny na iray aza no manana fivavahana. Mitovy avokoa izy rehetra. Roa taona aty aoriana dia mbola mitovy daholo ihany izy rehetra, samy tia tena, samy mpila sotasota. Rehefa mandeha ny fotoana, dia ampianarin'ny ray aman-dreniny fombam-pivavahana samy hafa izy ireny, izany no nahatonga azy hanana fivavahana samy hafa. Maherin'ny 90 isan-jaton'ny olona dia ny ray aman-dreniny no nifidy fivavahana ho azy.

Andriamanitra anefa tsy mijery antsika tahaka ny olona samy hafa fivavahana. Mpanota avokoa no fijeriny antsika. Nidina avy tany an-danitra Jesosy ho ety an-tany mba ho faty noho ny fahotan'ny olombelona rehetra. Tsy tonga tety an-tany ho an'ireo olona mihevitra ny tenany fa mendrika ny hijoro eo anatrehan'Andriamanitra Izy, fa tonga ho an'ireo olona miaiky fa mpanota ka tsy mendrika ny hiditra eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Ny fieritreretanao no miteny aminao fa mpanota ianao. Koa nahoana ary no sarotra aminao ny manatona an'i Jesosy manao hoe : « Tompo o, mpanota aho, fahadisoana marobe no efa vitako teo amin'ny fiainako » ?

Mety hisy hametraka izao fanontaniana izao : « Angaha dia tsy azon'ilay Andriamanitra tsara fanahy atao ny mody tsy mahita ny fahotantsika, fa avy hatrany dia mamela ny fahadisoantsika tahaka ny ray izay mamela ny fahadisoan'ny zanany ? ». Raha misy zanaka anankiray ohatra manimba (na manary) zavatra lafovidy. Ary manenina izy ka miala tsiny amin'ny rainy, dia hamela azy tokoa ny rainy. Kanefa tsy misy resaka fandikana fitsipi-pitondrantena (moraly) ao amin'izany. Raha tahaka izany daholo ny fahadisoana ataontsika dia hamela antsika avy hatrany foana koa Andriamanitra. Fa ny fahotana kosa dia tsy mba fahadisoana tahaka izany. Ny fahotana dia heloka.

Raha misy mpitsara anankiray izao mitsara ny zanany izay mijoro eo anoloany satria voampanga fa nisy heloka nataony. Azon'ilay mpitsara atao ve ny miteny amin'ilay zanany hoe : « Anaka, tiako ianao, ary avelako ny helokao ka tsy hofaiziko ianao » ? Tsy hisy mpitsara hanao an'izany velively raha mbola misy sombim-pandalàna ny rariny koa ao anatiny. Izany fandalàna ny rariny ananantsika izany dia ampahany bitika monja amin'ny fandalàna ny rariny sy hitsiny tena feno sy tanteraka ao amin'ilay Andriamanitra Tsitoha, izay endrika nanaovana antsika. Noho izany rehefa manao fahadisoana bevava isika, Andriamanitra amin'ny maha mpitsara azy, dia tsy maintsy miteny amintsika hoe « Tena tiako tokoa ianao kanefa nanao heloka ianao ka tsy maintsy manasazy anao Aho ». Tao amin'ilay fitsaran'olombelona, na dia nanenina mafy tamin'ny heloka nataony aza ny zanak'ilay mpitsara, dia tsy maintsy nanasazy azy ny rainy tamin'ny naha mpitsara azy. Andeha ataontsika hoe nandroba vola tany amin'ny banky ilay zanany. Nampiharin'ilay rainy taminy ny famaizana feno takian'ny lalàna, andeha atao hoe, dimampolo tapitrisa ariary ny sazy. Ary satria tsy manana izany vola izany ilay zanany dia tsy voaefany ny saziny ary tsy maintsy halefa any am-pigadrana izy !! Dia nidina niala tamin'ny seza naha mpitsara azy ilay rainy, nesoriny ny akanjo rebareba dia nanatona ilay zanany izy. Nalainy ny taratasim-bolany ary nanoratra seky mitentina dimmpolo tapitrisa ariary izy (izany hoe ny tahirim-bolany rehetra) ary dia natolony an'ilay zanany izany hanefany ny saziny. Moa mbola afaka hanameloka azy ihany ve ilay zanany hoe tsy tia azy ny rainy ? Tsia ! Sady miaraka amin'izany koa dia tsy misy olona afaka hanameloka azy ho mpitsara tsy marina, satria nampihariny tamin'ny zanany ny famaizana feno izay notakian'ny lalàna. Dia tsy misy valaka amin'izany koa ny zavatra nataon'Andriamanitra ho antsika. Tamin'ny maha Mpitsara Azy dia namoaka didy Izy fa atao maty avokoa isika rehetra noho ny fahotantsika. Rehefa avy eo dia nidina Izy, mba ho tonga Nofo ary dia noraisiny ho an'ny tenany ihany ilay famaizana nomeny.

Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa na dia Iray aza Andriamanitra, dia Telo izay iray Izy : Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Raha toa ka anankiray fotsiny Andriamanitra dia tsy ho nilaozany ho foana tao an-danitra tao ny seza fiandrianany mba hankanesany tety antany ho tonga nofo tao amin'i Jesosy. Iza indray no ho nitantana izao tontolo izao raha izany ? Fa satria Telo izay iray Andriamanitra dia afaka nidina tety an-tany ny Zanaka mba ho faty noho ny fahotantsika, teo anatrehan'ny Ray izay tany an-danitra, dia Ilay Mpitsara. Misy kristiana sasany izay manao batisa amin'ny anaran'i « Jesosy irery » satria lazain'izy ireny fa anankiray ihany Andriamanitra dia Jesosy izany. Fahadisoana goavana be izany. Ny bokin'i Jaona voalohany 2:22 dia milaza fa izay mandà ny Ray sy ny Zanaka dia manana ny fanahin'ny antikristy. Satria amin'izany dia mandà izy fa Andriamanitra Zanaka dia efa tonga tamin'ny nofo ho Jesosy Kristy, ilay nandà ny sitrapon'olombelona tao aminy fa nanatanteraka ny sitrapon'ny Ray kosa, ka nanefa ny sazintsika noho ny fahotantsika, teo anatrehan'Andriamanitra Ray (1 Jaona 4:2,3).

Jesosy dia sady Andriamanitra feno no olombelona feno rehefa nidina tety an-tany. Rehefa maty teo amin'ny hazo fijaliana Izy dia nanefa ny famaizana noho ny fahotan'ny olombelona rehetra. Ny tambin'ny fahotantsika dia fisarahana mandrakizay amin'Andriamanitra. Ary rehefa nihantona teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy, dia tafasaraka tamin'ny Rainy tany an-danitra Izy. Izany fisarahana izany no tena fahoriana mampihoronkoditra indrindra mety hanjo ny olombelona.

Ny helo irery ihany no toerana izay nafoin'Andriamanitra eto amin'izao tontolo rehetra izao. Tsy ao Andriamanitra. Ary noho izany ao amin'ny helo ao dia manarampo fatratra amin'ny ratsy rehetra ny devoly ao. Izany zava-dratsy izany no mampijafajafa ny olona rehetra izay mankany amin'ny helo. Nandraman'i Jesosy izany famaizana izany tamin'ilay Izy nihantona teo amin'ny hazo fijaliana. Adiny enina maninjihinjy no nihantona teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy. Fa nandritra ireo ora telo farany kosa dia nafoin'Andriamanitra Izy. Tonga maizina ny masoandro ary nihorohoro ny tany. Tapaka tanteraka ny fifandraisan'i Jeosy sy ny Rainy tany an-danitra. Ary satria ny Ray no lohan'i Kristy (1 Kor. 11:3), koa rehefa nafoin'ny Rainy Kristy, dia tahaka ny hoe tapaka niala tery ny lohany. Tsy ho takatry ny saintsika amin'ny endriny feno sy tanteraka izany fangirifiriana mafy nahazo Azy izany.

Raha toa ka tahaka ny olona nohariana hafa rehetra fotsiny Jesosy, dia tsy ho azony natao ny nitondra ny famaizana hisolo voina olona anapitrisany maro, izay efa niaina hatramin'ny andron'i Adama. Ny antony dia satria tsy misy olona azo ombohana mba hisolo vaika mpamono olona anapitrisany. Jesosy kosa anefa dia afaka nitondra ny famaizana satria Andriamanitra tsy manam-pahataperana Izy.

Ambonin'izany koa, satria tsy manam-pahataperana Izy dia azony tanterahina ao anatin'ny adiny telo ny famaizana mandrakizay.

Raha toa ka tsy Andriamanitra Jesosy Kristy, kanefa nofaizin'Andriamanitra Ray izy noho ny otantsika, dia ho zavatra tsy rariny loatra izany. Andriamanitra dia tsy afaka manafay olona anankiray noho ny heloka nataon'ny olona anankiray hafa, na dia vonona hitondra an'izany famaizana izany aza ilay olona. Tsy azon'ny namanao atao ny manefa ny sazinao ka homboana eo amin'ny hazo fijaliana eo amin'ny toeranao. Tsy ho rariny izany. Koa raha olona nohariana tsotra fotsiny Jesosy, kanefa nofaizina noho ny fahotantsika, dia izany no ho zavatra tena tsy rariny indrindra.

Koa mazava tsara amin'izany fa tsy misy olona nohariana izay afaka hitondra ny famaizana noho ny fahotantsika. Andriamanitra irery ihany no afaka manefa izany sazy izany, satria Izy no Mpitsara izao tontolo rehetra izao. Manana ny zo hanafay antsika Izy, ary manana ny zo hampihatra ny sazy amin'ny Tenany ihany koa. Moa tsy izany tokoa ve no nataony, rehefa tonga tety an-tany Izy dia tonga olona tao amin'i Jesosy Kristy. Ny fanorenana ny fiainana kristiana dia mifototra amin'ny fahamarinana anankiroa : Voalohany, efa maty noho ny fahotan'ny olombelona rehetra Kristy. Faharoa, nitsangana tamin'ny maty Izy rehefa afaka hateloana.

Raha tsy nitsangana tamin'ny maty Kristy, dia tsy ho nisy ny porofon'ny maha Andriamanitra Azy. Ny fitsanganany tamin'ny maty no porofo fa marina avokoa izay rehetra nolazainy. Tsy mbola nisy mpitondra fivavahana izay sahy nilaza fa vonona ho faty noho ny helok'izao tontolo izao. Ary tsy mbola nisy mpitondra fivavahana izay efa nitsangana tamin'ny maty. Ireo zavatra roa ireo fotsiny dia mampiseho fa tsy misy mitovy amin'i Jesosy Kristy.

Ny fivavahana rehetra dia mety hampianatra antsika ho tia asa soa sy ho tia fihavanana. Fa ny finoana kristiana kosa no miorina amin'ny fanorenana tokana : Kristy maty noho ny fahotantsika ary nitsangana tamin'ny maty. Raha esorina hiala tsy ho ao amin'ny fivavahana kristiana ireo fahamarinana roa ireo, dia hitovy amin'ny fivavahana hafa rehetra ihany ny fivavahana kristiana. Ireo fahamarinana roa ireo no mampiavaka ny fivavahana kristiana tsy hisy hitovy aminy.

Isika rehetra dia noforonin'Andriamanitra mba hivelona ho an'Andriamanitra. Kanefa isika rehetra dia efa nivelona ho an'ny tenantsika avy. Noho izany, rehefa manatona an'Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manatona Azy tahaka ny mpangalatra vonona hibebaka, satria efa nangalatra izay an'Andriamanitra nandritra ny taona maro. Tsy maintsy manatona Azy amin'ny fo feno fankasitrahana isika noho ny nahafatesan'i Kristy ho antsika ary tsy maintsy mino isika fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy ary velona ankehitriny. Tsy ho azontsika atao ny mivavaka amin'i Jesosy raha tsy velona Izy ankehitriny, satria tsy misy mivavaka amin'ny olona maty. Fa satria kosa efa nitsangana tamin'ny maty Jesosy dia afaka mifampiresaka Aminy isika.

Taorian'ny nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty dia niakatra niverina any an-danitra Izy. Rehefa afaka izany dia ny Fanahy Masina indray, iray amin'ny Andriamanitra Telo izay iray no nidina tety an-tany. Ny Fanahy Masina dia tena tahaka an'i Jesosy mihitsy. Efa nidina nankety an-tany Izy hameno ny fiainantsika amin'ny fanatrehan'i Jesosy. Raha omentsika vahana ao am-pontsika ny Fanahy Masina dia hamasininy isika. Rehefa mameno anao ny Fanahy Masina, dia ho resinao ny fahotana eo amin'ny fiainanao. Tsy nisy olona nahavita nandresy fahotana izany talohan'ny nahatongavan'ny Fanahy Masina hitoetra ao anatin'ny olona, izay nitranga tamin'ny andro Pantekosta.

Talohan'io andron'ny Pantekosta io, ny zavatra hany azon'ny olona natao dia ny nanadio ny toe-piainany ivelany. Fa ilay toe-piainany anaty kosa dia tsy nisy fiovana fa mbola resin'ny ota lava foana. Rehefa mameno anao ny Fanahy Masina, dia Andriamanitra mihitsy no mitoetra ao anatinao sy hanampy anao hanananao toe-piaina anaty matahotra an'Andriamanitra koa.

Ny hafatra mahafinaritry ny filazantsara dia izao : tonga madio tanteraka tsy misy pentina ny fonao rehefa avelan'Andriamanitra ny helokao. Koa amin'izany dia afaka honina ao anatinao Kristy amin'ny alalan'ny Fanahiny, izay manamboatra ny tenanao ho tempolin'Andriamanitra.

Tafaresaka tamina kristiana iray mpifoka sigara aho indray mandeha. Nanontaniako izy raha sahy mifoka sigara koa ao am-piangonana ? Dia namaly izy fa tsy hanao an'izany velively mihitsy satria ny trano fiangonana dia tempolin'Andriamanitra. Dia nambarako taminy fa ny vatany no tena tempolin'Andriamanitra fa tsy ireny trano fiangonana ireny. Tsy hijangajanga ao anaty trano fiangonana mihitsy ianao. Sa tsy izany? Tsy hijery porno ao amin'ny aterineto ao anaty fiangonana mihitsy koa ianao. Ny tenanao no tempolin'Andriamanitra rehefa mitoetra ao anatinao Kristy. Koa mitandrema ianao amin'izay ataonao amin'izay momba ny tenanao. Ny fahazaran-dratsy tahaka ny fifohana sigara, ny fimamoana, ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fisaintsainana ireo eritreritra mamoafady dia hamotika tsikelikely ny vatanao mbamin'ny sainao.

Ny fiainana kristiana dia azo oharina amin'ny fihazakazahana. Rehefa mitodika isika ka ataontsika any ivohontsika ny fahotana sady efa nateraka indray rahateo isika, dia azo lazaina fa efa tafajadona eo amin'ny tsipika fialàna (ligne de départ) izay ny tongotsika. Dia manomboka eo amin'izay ny fihazakazahana lavitr'ezaka, mandrapahatapitry ny androm-piainantsika. Mihazakazaka isika, mihazakazaka, mihazakazaka hatrany. Izany no fomba anatonantsika bebe kokoa hatrany isan'andro ny tsipika fiantefàna (ligne d'arrivée). Kanefa tsy maintsy mihazakazaka tsy miato isika.

Na azo hazavaina amin'ity fanoharana ity : Rehefa avy nateraka indray isika, dia napetratsika izay fototra iorenan'ny tranontsika. Rehefa vita izany dia rafetintsika miadana ny vatantrano, ary asiantsika rihana marobe.

Tsy misy fiainan-tsambatra noho izany eto an-tany, satria efa esorinao tsikelikely ny faharatsiana rehetra eo amin'ny fiainanao ary miha-mitombo bebe kokoa hatrany ny fanahafanao an'Andriamanitra isaky ny mitombo ny taona.

Ka inona àry izany no tsy maintsy ataon'ny olona te ho ateraka indray ?

Voalohany indrindra dia meneke fa mpanota ianao. Aza mampitaha ny tenanao amin'ny olon-kafa ary aza miarahaba tena raha hitanao fa tsara kokoa noho izy ireny ianao. Ny fahotana dia tahaka ny poizina mahafaty. Ka na indray mitete no sotroinao na iray sotrobe dia tsy maintsy ho faty ianao. Noho izany, raha tianao ho tsara fiantombohana ny maha kristiana anao, dia maneke fa tsy tsara noho izay mpanota gaigilahy indrindra eran-tany ianao. Dia mivonona amin'izay hiala amin'izay rehetra fantatrao fa fahotana eo amin'ny fiainanao.

Ary koa minoa an'i Kristy. Izany hoe atolory tanteraka ho an'i Kristy ny tenanao, fa aza mino ao an-tsainao fotsiny izay nolazaina momba Azy. Azo atao tsara mantsy ny mino olona anankiray kanefa tsy manolo-tena tanteraka ho azy. Ny vehivavy vao hanambady dia anontaniana hoe « Vonona ve ianao ny hanolotra ny tenanao manontolo ho an'ity lehilahy ity ? » Andeha heverintsika hoe izao no avaliny : « Mino aho fa tena lehilahy tsara fanahy izy. Kanefa tsy tena vonona aho aloha ny hametraka ny fiainako manontolo sy ny ho aviko eo am-pelatanany ». Raha izany no valin-teniny dia tsy afaka hanambady ilay lehilahy izy satria tsy manana finoana azy. Rehefa manambady ny vehivavy dia ny fizotran'ny fiainany iray manontolo mihitsy no miova. Ovainy ny anarany ka ny anaran'ny lahy no entiny. Ilaozany ny tokantranon'ny ray aman-dreniny ka mandeha miara-mipetraka amin'ny vadiny izy. Mety tsy fantany hoe aiza no hipetraka ralehilahy, kanefa tsy manakana azy izany hametraka ny ho avin'ny fiainany manontolo amin'ny vadiny. Manana finoana azy izy. Izany sary izany dia maneho tsara ny atao hoe finoana an'i Kristy.

Ny teny hoe « kristiana » (raha lazaina am-panajana) dia midika hoe « Ramatoa Kristy » ! Ny vadiko dia tsy afaka nitondra ny anarako raha tsy taorian'ny fanambadianay. Dia mitovy amin'izany ihany koa, tsy afaka mitondra ny anaran'i Kristy ianao ary miantso ny tenanao hoe « kristiana » raha tsy efa vita fanambadiana tamin'i Kristy. Raha misy vehivavy hafa mitondra ny anarako kanefa tsy nanambady ahy ka miantso ny tenany hoe « Ramatoa Zac Poonen », dia ho lainga be izany. Torak'izany koa, na iza na iza mitonona ny tenany ho kristiana kanefa tsy vita fanambadiana tamin'i Kristy akory dia mandainga izy.

Ny fanambadiana dia natao haharitra mandrakizay fa tsy haharitra andro vitsy fotsiny. Dia mitovy tsy misy valaka amin'izany koa, ny atao hoe fiainana kristiana dia fanoloran-tena mandra-pahafaty. Ny fanoloran-tena feno ho an'i Kristy dia tsy midika akory fa efa olona tanteraka ianao. Ny vehivavy dia tsy mampanantena ny vadiny hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy izy eo amin'ny fiainany. Hanao fahadisoana be dia be tokoa izy kanefa hamela ny fahadisoany ny vadiny. Fa ny ampanantenainy kosa dia ny hiara-hiaina amin'ny vadiny mandra-pahafatiny. Izany dia sarin'ny fiombonantsika amin'i Kristy.

Ny dingana manaraka tsy maintsy ataonao dia ny firosoanao amin'ny batisan'ny rano. Ny vita batisa dia mitovy amin'ny hoe nahazo taratasim-panambadiana. Tsy ny nandraisanao taratasim-panambadiana akory no nahatonga anao ho olona manambady. Tsy ny fahavitan'ny batisa akory no mahatonga anao ho olona kristiana. Aorian'ny fahavitan'ny fanambadiana ihany vao azo omena ny taratasim-panambadiana. Toy izany koa, aorian'ny fanoloran-tenanao tanteraka ho an'i Kristy vao mahazo miroso amin'ny batisa ianao. Ao amin'ny batisa no anambaranao ampahibemaso fa efa tapitra hatreo ny fiainanao taloha ary efa ataonao Tompon'ny fiainanao Jesosy Kristy.

Ny mpivady mahafatrapo dia manan-javatra be dia be ifampiresahana, koa tsy maintsy miresaka amin'i Jesosy koa ianao sy mihaino Azy rehefa miteny aminao isan'andro amin'ny alalan'ny Baiboly Izy.

Ny vehivavy mahafatrapo dia tsy mba manao na inona na inona mety tsy hahafaly ny vadiny. Tsy misy tsy ataony mba hiombonany fo amin'ny vadiny. Ny olona tena kristiana marina koa dia tsy hanao na inona na inona mety hampalahelo an'i Kristy, ohatra hoe ny fijerena horonantsary izay tsy azon'i Jesosy jerena. Tsy hanao afa tsy izay zavatra azony atao miaraka amin'i Jesosy Kristy izy.

Azonao antoka tsara ve fa efa nateraka indray ianao ? Eny. Ny Romana 8:16 dia milaza fa rehefa nateraka indray isika, ny Fanahy Masina dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika.

Izany no tena fiainan-tsambatra satria miara-monina amintsika ilay Namana mahafatrapo indrindra. Tsy hanirery intsony isika, satria homba antsika mandrakariva Jesosy na aiza na aiza alehantsika. Azontsika zaraina aminy ny olana atrehintsika ary azontsika angatahina hamaha ireny Izy. Izany dia fiainana hipoky ny fifaliana sady lavitry ny ahiahy sy ny tahotra, satria Jesosy mihitsy no mihazona ny hoavintsika eny an-tanany.

Raha tianao ny ateraka indray, dia lazao amin'ny Tompo izao dia izao ihany izao teny izao, amin'ny fonao rehetra :

« Jesosy Tompo ô, Mino aho fa Zanak'Andriamanitra Ianao. Mpanota aho ary mendrika hankany amin'ny helo. Misaotra anao aho noho ny nitiavanao ahy sy ny nahafatesanao teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotako. Mino aho fa efa nitsangana tamin'ny maty Ianao ary velona ankehitriny. Izao ankehitriny izao dia te hiala amin'ny fiainam-pahotako aho. Miangavy Anao aho mba hamela ny fahotako rehetra sy mba hanome ahy fankahalana ota. Avelako ny heloky ny olona rehetra izay nanisy ratsy ahy na tamin'ny inona na tamin'ny inona. Midira ao amin'ny fiainako Jesosy Tompo, ary meteza ho Tompon'ny fiainako manomboka androany. Ataovy zanak'Andriamanitra aho izao ankehitriny izao . »

Izao no lazain'ny Tenin'Andriamanitra « Ary izay rehetra nandray an'i Kristy, dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra » (Jaona 1:12). Hoy Jesosy Tompo « Izay manatona Ahy tsy ho laviko mihitsy » (Jaona 6:37)

Koa matokia fa efa noraisin'i Jesosy Tompo ianao.

Afaka misaotra Azy amin'izay ianao manao hoe « Misaotra Anao aho Jesosy Tompo, noho ny namelanao ny heloko sy ny nandraisanao ahy. Mba fenoy ny Fanahy Masinao aho raha sitrakao ary mba omeo hery hivelomako ho Anao. Tsy te hanao afa tsy izay sitrakao aho manomboka mason'andro anio »

Tokony hamaky ny Tenin'Andriamanitra isan'andro amin'izay ianao sy hangataka amin'ny Tompo hameno anao amin'ny Fanahiny Masina isan'andro. Mila miombom-po amin'ireo kristiana efa nateraka indray koa ianao. Izay ihany no fomba ahafahanao mitombo ao amin'ny fiainana kristiana sy hahazoanao hery hanohizanao ny fanarahanao dia ny Tompo. Noho izany dia angataho ny Tompo hanoroany anao fiangonana tsara tokony andehananao.

Ny Tompo anie hitahy anao amin'ny harem-pahasoavany.