Manomboka ao amin'ny Matio 7:6 no ahitantsika ireo andian-teny mamarana ny Toriteny teo an-tendrombohitra. "Aza omena ny alika izay masina ; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo". Mampianatra antsika i Jesosy fa tsy maintsy manam-pahendrena isika amin'ny teny lazaintsika sy ny olona ilazantsika azy. Ao amin'ny Ohabolana 26:4 dia raràna isika tsy hamaly ny adala araka ny hadalàny. Tsy azo omena ny olona tsy tia fahamarinana ny fahamarinana. Izany no antony ilantsika fahendrena rehefa miresaka aman'olona. Tsy misy toriteny anankiray sahaza ho an'ny olona rehetra. Mila mitady an'Andriamanitra isika handrenesantsika izay tian'Andriamanitra lazaina amin'ny olona tsirairay. Izany no fomba niainan'i Jesosy ary tsy maintsy modely arahintsika i Jesosy rehefa miezaka mamantatra ny andininy rehetra ao amin'ny Soratra Masina isika.
Misy faminaniana mikasika an'i Jesosy Kristy Tompo ao amin'ny Isaia 50:4 izay tena antonona tsara ireo olona mitory ny Tenin'Andriamanitra izay manontany tena hoe "Inona ny hafatra avy amin'Andriamanitra tokony homeko ny olona anankiray ?". Tsy maintsy fantariko tsara aloha ny fiainam-panahin'ilay olona. Izany no ilàko fahazavan-tsaina ara-paminaniana avy amin'Andriamanitra rehefa mizara ny Tenin'Andriamanitra aho. Tsy asan'ny nofo ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra. Raha ampitovianao amin'ny fampianarana taranja anankiray tahaka ny simia ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra dia azonao atao ny mampianatra Baiboly ny olona rehetra amin'ny fotoana rehetra. Fa raha tianao hifanaraka tsara amin'ny fiainam-panahin'ny olona iresahanao ny Tenin'Andriamanitra dia tsy maintsy mahazo fahaiza-mamantatra ara-panahy avy amin'Andriamanitra irery ihany ianao. Hoy ny Isaia 50:4 (Kristy no miteny eto) "Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay (lelan'ny mpianatra) mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka". Raha lazaina tsotra dia izao "Mba hahafahako manome teny sahaza ny olona reraka mifanena amiko dia fohazin'Andriamanitra Ray isa-maraina isa-maraina aho, ary ampandrenesiny isa-maraina ny sofiko hihaino tahaka ny mpianatra". Amafisin'i Jesosy eto fa Izy dia nihaino isan'andro ary nanongilan-tsofina tsy tapaka mba hahafahany manome teny sahaza ny olona izay nanatona Azy.
Ohatra anankiray amin'izany ny Jaona toko faha-8. Vakiantsika ao fa nisy vehivavy azo olan-tanana nijangajanga nentin'ny Fariseo nanatona an'i Jesosy ary nolazain'izy ireo ny andininy tao amin'ny Testamenta taloha izay nandidy mazava tsara fa tokony hotoraham-bato ravehivavy. Tsy nanohitra ny tenin'izy ireo Jesosy satria fantany ny Soratra Masina. Izy ihany anie no nanome an'i Mosesy an'ireo lalàna ireo taonjato maro talohan'izao e ! Koa inona no nataony ? Voalaza ao fa tsy namaly Jesosy. Nisisika ihany izy ireo niampanga an-dravehivavy. Dia niondrika sy nanoratra zavatra teo amin'ny tany tamin'ny fanondrony fotsiny Jesosy (Jaona 8:6). Niandry teny mazava avy tamin'ny Ray Izy. "Inona no holazaiko amin'ireo olona ireo ? Inona no teny tokony omena an'ireo olona te hitora-bato an'io vehivavy mahantra io ?" Tsy hanohitra ny Soratra Masina Izy, satria ny Soratra Masina izay nomeny an'i Mosesy dia nandidy fa tokony toraham-bato ravehivavy. Rehefa nahazo teny avy amin'ny Rainy Izy dia nitsangana ary niteny hoe (Jaona 8:7 dikany malalaka) "Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato voalohany. Alefaso àry, azonareo toraham-bato io vehivavy io araka ny lalàna, kanefa izay olona tsy nanota taminareo ihany no mahazo mitora-bato voalohany". Ary voalaza fa niala tsikelikely izy ireo nanomboka tamin'ny zokinjokiny satria ireo zokinjokiny ireo no nanota betsaka indrindra.
Teny tokana fotsiny dia nilamina ny raharaha ! Tsy nila toriteny iray manontolo. Nisy fotoana aza tsy namaly Jesosy. Ohatra, indray mandeha nisy olona nametraka fanontaniana taminy dia novaliany hoe "Avelao Aho aloha hametraka fanontaniana aminareo : ny batisan'i Jaona, avy tany an-danitra ve sa avy tamin'ny olona ?". Dia nanomboka niady hevitra izy ireo hoe "Raha holazaintsika hoe : avy tamin'ny olona, dia hampahatezitra ny vahoaka isika, satria ataon'izy ireo ho mpaminany Jaona. Ary raha holazaintsika hoe : avy tany an-danitra dia hanontany antsika i Jesosy hoe : ka nahoana no tsy nino azy hianareo ?. Koa tsy hitan'izy ireo izay navaly dia hoy izy ireo "Tsy fantatray, tsy holazainay". Dia hoy Jesosy "Hay, Izaho koa tsy hamaly ny fanontaniana napetrakareo" (Matio 21:27).
Tsy nanana valin-teny efa voaomana ho an'ny olona rehetra i Jesosy. Indraindray dia tonga manatona Azy ny olona ary mametraka fanontaniana adaladala toy ny hoe "Nisy lehilahy anankiray maty ary nampakarin'ny rahalahiny ravehivavy, ary izy fito mirahalahy samy nanambady an-dravehivavy. Amin'ny fitsanganan'ny maty dia ho vadin'iza moa ravehivavy ?". Namaly azy ireo soa aman-tsara Jesosy. Tsy nilaozany niala ireo. Nandany fotoana Izy nanazava taminy fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy misy fampakaram-bady. Rehefa jerena ny zavatra avalin'i Jesosy dia tsy valin-teny raikitra. Tsy mba mitovy amin'ny an'ny solosaina rehefa ametrahana fanontaniana toy ny hoe "Inona no valin'ity zavatra ity ?". Nihaino ny Fanahy Masina mandrakariva Izy. Ary tena fitsipika lehibe tokony ianarantsika avy amin'ny Matio 7:6 izany.
Matetika dia mila fantarina ny teny antonona sy sahaza ho an'ny olona anankiray. Tena zava-dehibe tokoa ao amin'ny asa fanompoana rehetra ny mahafantatra tsara ny teny tokony holazaina. Nahoana moa ny Testamenta Vaovao no milaza fa tsy maintsy maniry fatratra ny haminany isika ao amin'ny 1Korintiana 14:1? Ny mpino rehetra dia tokony haniry fatratra ny haminany. Ny antony dia izao : ao amin'ny fivoriam-piangonana ao amin'ny Testamenta Vaovao, raha samy maminany avokoa ny olona rehetra, ary raha samy manana fanomezam-pahasoavana haminany avokoa (tsy ny olona rehetra akory no mpaminany fa ny olona rehetra afaka maminany), dia voalaza fa raha misy olona tsy manana fanomezam-pahasoavana ao, mety olona tsy mino ny fanomezam-pahasoavana, dia haharesy lahatra azy ny zavatra reny ka hiseho ny zavatra takona ao am-pony satria nandre teny nifanaraka tamin'izay nilainy izy (1Korintiana 14:24-25). Koa hiankohoka sy hidera an'Andriamanitra izy hoe "Henoinareo, tena ato tokoa Andriamanitra, satria nahazo teny sahaza ho ahy aho".
Izany no tokony hiseho amin'ny fotoam-bavaka rehetra. Any amin'ny fiangonana rehetra dia tokony hisy olona maminany. Tsy maintsy miandry an'Andriamanitra ianao ary tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra vao afaka maminany. Ary raha tsy manao an'izany ianao dia tsy mendrika hatao mpitory ny Tenin'Andriamanitra. Tsy maintsy fantatrao tsara mihitsy izay tokony homena ny olona anankiray. Izany no tian'i Jesosy lazaina ao amin'ny Matio 7:6 hoe : Rehefa mahita olona mitondra tena tahaka ny kisoa ianao dia omeo azy izay tokony omena ny kisoa, rehefa mahita olona tahaka ny alika ianao dia omeo taolana izy. Tsy azonao omena ny biby ny Toriteny teo an-tendrombohitra.
Rehefa mikatsaka ny fanomezam-pahasoavana haminany isika dia homen'Andriamanitra antsika amin'ny fotoana andraisantsika fitenenana ny fahaiza-mamantatra izay ilain'ny olona mihaino antsika. Ary Andriamanitra no hanome antsika ny teny mifanaraka amin'izay ilain'izy ireo. Tena fitsipika lehibe tokoa izany izay namaranan'i Jesosy ny Toriteny teo an-tendrombohitra ary tena zava-dehibe ho antsika ny mahatakatra an'izany, indrindra ho antsika izay nantsoina hitory ny Tenin'Andriamanitra, na amin'ny olona tsy mpino izany na amin'ny olona mpino. Tsy mamingavinga olona na iza na iza isika. Raha mamingavinga olona ianao dia tsy mendrika hatao mpanompon'Andriamanitra. Jesosy tsy namingavinga na ny mpanota ratsy fanahy indrindra aza. Saingy mila manana teny sahaza mifanaraka amin'izay ilain'ny olona isika. Izany no dikan'ny Matio 7:6.