WFTW Body: 

"Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana ; fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana" (Ohabolana 1:7)

Io no ohabolana voalohany. Misy dikany lehibe matoa natao ohabolana voalohany izany. Rehefa milaza izany hoe fiandoham-pahalalana dia azo lazaina fa fanorenana no tiany ambara. Aty aoriana, ao amin'ny Ohabolana 9:10 dia izao no voalaza "Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena". Tena mifamatotra tokoa ny fahalalana sy ny fahendrena satria ny fahalalana dia tsy midika hoe fahalalana Baiboly. Ny dikany dia hoe fahalalana an'Andriamanitra. Rehefa mamaky isika hoe fahalalana dia tsy fahalalana ara-pianarana ny Baiboly. Satria manana an'izany ny devoly ary tsy manana fahatahorana an'i Jehovah izy. Miharihary izany fa ny Ohabolana 1:7 dia tsy miresaka fahalalana ara-Baiboly. Ny fahalalana resahina eto dia fahalalana an'Andriamanitra! Tena samy hafa tanteraka amin'ny fahalalana Baiboly izany.

Ny ankamaroan'ny olona mahalala ny Baiboly dia tsy mahalala an'Andriamanitra. Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana. "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao" (Jaona 17:3). Mahafantatra bebe kokoa hoe ohatra an'iza Andriamanitra. Nolazain'i Paoly fa ny zavatra iriny indrindra eo amin'ny fiainany dia hoe "... mba ho fantatro Izy…" (Filipiana 3:10). Izany hoe, te hahafantatra an'Andriamanitra bebe kokoa hatrany izy. Mba hahafantarany bebe kokoa hatrany ny toetran'Andriamanitra, ny fomba fijerin'Andriamanitra ny olona, ny fijerin'Andriamanitra ny zava-mitranga, ny fijerin'Andriamanitra ny zavatra. Koa afaka nanova ny toe-tsainy hitovy amin'ny an'Andriamanitra i Paoly. Izany ilay fahalalana izay resahina eto.

Io ohabolana voalohany indrindra io dia mampianatra antsika fa ny dingana voalohany hahafantarana an'Andriamanitra dia ny fahatahorana Azy, ny fanajana Azy. Mankahala ny ota ary mitia ny fahamarinana. Izany no atao hoe matahotra an'Andriamanitra. Amin'izay dia afaka mahafantatra Azy bebe kokoa hatrany isika. Koa tsy ilaina ho fantatra ny halehiben'ny fahaizan'ny olona fa ny halehiben'ny fahatahorany an'Andriamaintra, izay mamaritra ny fitomboantsika amin'ny fahalalana ara-panahy sy ny fahendrena ara-panahy.

Eo izany no fiantombohana, izany hoe ny fanorenana, ny vato fehizoro, na izay iantsoanao azy, dia ny fahatahorana an'i Jehovah. Eo no tsipika fialàna amin'ny hazakazaka izay atao. Raha tsy tonga eo ianao dia tsy afaka mandeha na aiza na aiza. Azontsika lazaina koa fa izany no fototry ny fahalalana rehetra. Ny votoatin'ny fahalalana rehetra dia ny tahotra an'Andriamanitra, ary amin'ny fotoana anankiray ka very ary tsy ato amiko ny tahotra an'Andriamanitra dia tsy afaka mamantatra an'Andriamanitra intsony na ny fahendrena intsony aho. Raha te hitombo amin'ny fahendrena dia mila mitombo amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra. Raha te hitombo amin'ny fahalalana an'Andriamanitra dia mila mitombo amin'ny fahatahorana ny Tompo.

Avy amin'io andininy io koa no hahafantarantsika ny olona kely saina. Rehefa miresaka momba ny olona kely saina na adala ny Baiboly dia tsy miresaka ny olona mahazo naoty ratsy 1/10 amin'ny asa marika na 1/10 amin'ny siansa izy. Ny olona mahazo naoty ratsy dia mety mbola hendry araka ny Soratra Masina raha toa izy ka manana fahatahorana an'Andriamanitra. Rehefa miresaka momba ny olona adala ny Baiboly dia tsy miresaka mikasika ny olona tsy mahay fianarana izy. Olona tsy manana fahatahorana ny Tompo no resahiny, dia olona mitsiriritra vehivavy kanefa tsy manenina akory, tsy mitomany noho ny nataony. Adala izy na mahazo naoty 9/10 amin'ny asa marika sy ny siansa aza! Olona adala ketrina tokoa, ary izy no olona nanoratan'i Solomona ireo zavatra enina amby enimpolo ao amin'ny bokin'ny Ohabolana. Izany hoe olona izay tsy manana fahatahorana an'Andriamanitra na kely aza amin'ny resaka fahotana : milaza lainga na manao sonia taratasy sandoka na manao fahotana maro samy hafa. Tsy manelingelina ny fony akory ny fanaovana an'ireo. Enina amby enimpolo ny zavatra nosoratan'i Solomona mikasika ireny olona adala ireny.

Ny adala dia ireo olona manamavo fahendrena sy fampianarana. Tsy manana fahazavan-tsaina mijery ny zavatra araka ny fijerin'Andriamanitra ny zavatra izy. Azo lazaina fa ny fahendrena dia ny fijerena ny olona sy ny zavatra ary izao tontolo rehetra izao amin'ny fijerin'Andriamanitra azy ireny. Arakaraky ny ananako fahendrena no hijereko ny olona amin'ny fijerin'Andriamanitra azy, izany hoe miaraka amin'ny halemem-panahy, ny fangorahana sy fitiavana ary fahadiovana. Raha tsy mahavita mijery ny olona amin'ny halemem-panahy sy fangorahana sy fitiavana ary fahadiovana aho dia tsy manam-pahendrena aho na mitombo aza ny fahaizako Baiboly (ny fahaizan'ny devoly aza moa mihoatra noho ny ahy ). Eo no tokony hahafantarantsika fa ny olona adala izay resahin'ny Baiboly dia olona tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra, tsy misy fanajana an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany, tsy mankahala ny fahotana ary tsy tia nyfahamarinana.

Misy dikany lehibe matoa ny zavatra voalohany indrindra asongadin'ny bokin'ny fahendrena dia ny fahatahorana an'Andriamanitra. Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy Masina.