WFTW Body: 

Olona tanora no nantsoin'i Jesosy ho Apostoliny. Maro no mihevitra fa mba hahatongavana ho Apostoly dia farafahakeliny tokony ho efa 60 na 65 taona ny olona. Kanefa ireo apostoly voalohany nofidin'i Jesosy dia olona teo amin'ny faha-30 taonany. Jesosy aza dia maty raha vao 33 taona sy tapany monja. Ary ireo Apostoly rehetra iraikambinifolo dia zandrin'i Jesosy avokoa, satria fantatsika fa ireo raby teo amin'ny Jiosy dia mifidy tanora noho izy foana ataony mpianatra. Jaona angamba dia teo amin'ny 30 taona teo tamin'ny andro Pentekosta.

Rehefa niantso ireo tovolahy ireo Jesosy, dia tsy ny andram-piainany no notadiaviny tamin'izy ireo fa ny fahitsian'ny fony. Tamin'ny andro Pentekosta dia nohosoran'ny Fanahy Masina ireo tovolahy ireo ary notafiany hery mahagaga ho apostolin'ny Tompo. Ny andram-piainan'izy ireo sy ny fahamatorany dia nanaraka taty aoriana. Timoty koa dia tanora vao erotrerony no tonga apostoly (1 Timoty 4:12).

Miantso ny tovolahy Andriamanitra hanompo Azy amin'izao fotoana izao. Kanefa tsy maintsy manetry ny tenany hatrany izy ireny. Ny tena loza mety hihatra amin'ny tovolahy izay nantsoin'Andriamanitra dia ny fireharehana ara-panahy.

Efa nahita tranga mampalahelo maro aho taty Inde, tantara-na tovolahy nantsoin'Andriamanitra ho mpanompony, izay tsy nahatontosa ny fiantsoana azy. Nisy ohatra, vao mba nampiasain'Andriamanitra kely fotsiny dia efa nieboebo, ary dia nahifik'Andriamanitra, satria naka ny voninahitra tokony ho an'Andriamanitra. Nisy indray, nitady fiainam-piadanana, ary ny niafarany dia tonga mpiasan'ny fikambanana kristiana tandrefana izay manome karama be. Dia naniasia tahaka an'i Balama izy ireo. Ary nisy kosa voasarik'ireo Delila tsara tarehy, ka very hosotra tahaka an'i Samsona. Tahaka izany no nanaovan'ireny tanora ireny sorona ny fiantsoan'Andriamanitra azy sy ny hosotra, tamin'ny nahazoan'izy ireny laza amam-boninahitra na vola na nanomezany fahafahampo ny filàny vehivavy tsara tarehy.

Ankehitriny àry aiza ireo mpaminanin'Andriamanitra eto Inde, izay manambara am-pahasahiana ny Tenin'Andriamanitra, izay tsy miraharaha vola na vehivavy tsara tarehy na fankasitrahan'olona ?

Tsy fahita firy izy ireny izao. Ny ankamaroan'ireo voantson'Andriamanitra dia efa nihemotra.

Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro sy mangorakoraka. Raha torotoro sy manetry tena isika dia tsy hitsahatra hampiasa antsika Andriamanitra. Fa amin'ny andro izay hiheverantsika tena ho olona misy vidiny, noho ny fanambarana lehibe noraisintsika, na noho ny asa fanompona goavana nomen'Andriamanitra antsika, dia efa nanomboka niodina taminy isika izay. Hanilika antsika Andriamanitra.

Mety mbola voatazona ho loholona ao amin'ny fiangonana ihany isika. Kanefa ho hitantsika rehefa any amin'ny mandrakizay fa efa nolanilaniantsika tamin'ny tsy antony ny fiainantsika.