written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hiteny ratsy ny fivavahana hafa mbamin'ny sampiny amin'ny fanononantsika ny anaran'izy ireny. Tsy azontsika atao fihomehezana koa izy ireny. Jesosy dia tsy mba nanisy resaka momba an'ireny mihitsy. Ny tena noresahany betsaka dia ny fihatsarambelatsihin'ireo olona mihambo ho mahalala an'ilay Andriamanitra tena izy.

Eritrereto ny amin'ny apostoly Paoly : Rehefa tany Efesosy sy nitory ny fahamarinana tsy misy kilema i Paoly dia nisy tabataba be tao an-tanàna. Farany dia niantso ny vahoaka ny ben'ny tanàna ary niteny hoe : " Fa nentinareo ety ireo lehilahy ireo, tsy niteny ratsy an'i Diana andriamanitsika " (Asa. 19:37). Kristy no notorian'i Paoly. Fa izy tsy naniratsira ny andriamani-tsi-izy izay nivavahan'ireo olona tao Efesosy. Ny toriteniny dia nampandroso, hoe Kristy dia mahay manafaka azy ireo amin'ny fahotany. Tsy toriteny nampihemotra no nataony, tsy toriteny nitsara ireo andriamani-tsi-iziny sy ireo sampiny. Izany ny fahendren'Andriamanitra. Raha vantany vao manatona an'i Kristy ny olona anankiray dia ny Tompo mihitsy no hanao ny asa famonjena azy ka hanafahana azy amin'ireo sampiny.

Izany koa no fahendrena tsy maintsy ananantsika. Tsy mahazo mitsara ny fivavahan'olona isika na inona na inona izany, na izay finoany na izay fombafombam-pivavahany. TSY izany ny teny toriantsika. Isika tsy mitory afa-tsy Kristy, dia Jesosy Kristy nohomboana noho ny fahotantsika, nitsangana tamin'ny maty, velona sy any an-danitra ankehitriny, ary hiverina haingana hitsara izao tontolo izao . Izany ny teny toriantsika, ary miantso ny olona rehetra isika hiala amin'ny fahotany sy handray an'i Kristy ho Tompony sy ho Mpamonjiny. Isika anefa TSY manery na iza na iza amin'izany. Izany no tsy maintsy toriantsika, eny na dia amin'ny zaza madinika aza. Tsy maintsy manasa azy ireny hanaiky an'i Kristy isika, kanefa tsy an-tery. Manome fahafahana ho an'ny olona rehetra Andriamanitra. Noho izany dia tsy maintsy manome fahafahana ho an'ny olona koa isika. Rehefa tena mandray marimarina an'i Kristy eo amin'ny fiainany ny olona, dia hiala tsikelikely ireo zavatra tsi-izy rehetra eo amin'ny fiainany, amin'ny fotoanany, satria ny Fanahy Masina no handresy lahatra azy ireo amin'ny fahotany.

Ny fiantsoana antsika dia ny hitory an 'i Kristy ho hany Mpamonjy an'izao tontolo izao. Tsy maintsy manameloka ny fahotana koa isika, tsy maintsy mitsara tena ary mampiharihary ny fihatsarambelatsihy eo anivontsika aloha voalohany indrindra. Indraindray misy rahalahy sy anabavy maro mafana fo kanefa tsy manam-pahendrena izay manonona anaram-pivavahana tsy amin'antony mandritra ny toriteniny sy ny vavaka ataony. Tsy maintsy mananatra ny olona tahaka ireny isika mba hotandremany tsara ny zavatra lazainy. Tsaratsara kokoa ny manao hoe "ireo tsy kristiana" toy izay manonona anaram-pivavahana anankiray. Andriamanitra dia tsy naniraka ny Zanany ho eto amin'izao tontolo izao mba hanameloka izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao (Jaona 3:17). Ny fiantsoana antsika dia ny manaraka ny filamatra navelan'i Jesosy ary noho izany dia tsy maintsy ataontsika foana izay hamonjena ny hafa fa tsy izay hanamelohana azy.