WFTW Body: 

Tsy misy mahazo manorina ny tena Fiangonana marina afa-tsy ireo olona izay vonona ny hahafoy ny zavatra rehetra ho an'izany, tahaka an'i Jesosy.

« Ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny T enany hamonjy azy » (Efe. 5:25) . Na iza na iza te-hanorina fiangonana amin'izao andro izao dia tsy maintsy manefa izany sarany izany, izany hoe fahafoizan-tena feno sy tanteraka isan'andro. Tsy misy fomba moramora kokoa noho izany hanorenana ny Tenan'i Kristy. Hitantsika hatramin'ny fiandohan'ny tantaran'ny zanak'olombelona io fitsipika io.

Kaina dia « nitondra tamin'ny vokatry ny tany » fotsiny ho fanatitra ho an'Andriamanitra, ary nolavin'Andriamanitra izany. Abela kosa dia nitondra « izay tsara indrindra tamin'ny zanak'ondriny » ary nankasitrahan'Andriamanitra izany (Gen. 4:3-5). Kaina dia maneho ireo Kristiana mpanara-pomba manao fanatitra ho an'Andriamanitra amin'izay zavatra tsy novidiany lafo na azony maimaimpoana. Abela kosa dia maneho ireo mpino ara-panahy manao fanatitra ho an'Andriamanitra amin'ny zavatra nandaniany izay rehetra nananany.

Rehefa nanolotra an'Isaka teo ambony alitara teo an-tendrombohitra Moria i Abrahama, araka ny niantsoan'Andriamanitra azy, dia izany no fanatitra lafo vidy indrindra izay azony natolotra ho an'Andriamanitra. Nanaraka ny dian'i Abela izy (Genesisy 22).

Arivo taona taty aoriana dia nanao fanatritra teo amin'io toerana teo an-tendrombohitra Moria io mihitsy i Davida (teo amin'ny famoloan'i Araona) ary nanao izao fianianana izao izy « Tsy hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah Andriamanitro amin'izay azoko fotsiny aho » (2 Sam. 24:24) .

Hitan'Andriamanitra ireo fanatitra lafo vidy natolotr'i Abrahama sy Davida koa nilaza tamin'i Solomona Izy mba hanorina ny Tempoliny teo amin'io toerana io mihitsy izay nanoloran'ireo lehilahy anankiroa ireo ny fanatiny lafo vidy, dia ny famoloan'i Araona izay teo an-tendrombohitra Moria izany (Jereo 2 Tantara 3 :1)

Asehon'Andriamanitra amin'izany fa tsy misy mahazo manorina ny Tranony afa-tsy ireo olona izay manana izany toe-tsaina feno fahafoizan-tena tanteraka izany. Izy ireo ihany no hanorina ilay Fofombadin'i Kristy, dia i Jerosalema (Apok. 21:2). Ny kristiana hafa rehetra dia hanorina an'i Babylona, ilay vehivavy janga (Apok. 17 sy 18).

Kaina sy Abela no nanomboka an'ireo firehana anankiroa ireo, iray ho an'ny mpanao fombam-pivavahana, ny iray ho an'ny olona ara-panahy. Ireo firehana roa ireo taty aoriana dia hita tao amin'ireo mpaminany sandoka sy mpaminany marina tao amin'ny tantaran'ny zanak'Isiraely. Ary hita tao amin'ny Fariseo sy Jesosy. Ary hifarana any amin'i Babylona sy i Jerosalema ( Apok. 17, 18 ary 21).

Marobe ny mpino no maika hahita anjely na hahita mivantana an'i Jesosy. Ny firehetampontsika anefa dia tsy maintsy ny hahita ny voninahitry ny fiainan'i Jesosy, tamin'ny fomba niainany fony Izy tety an-tany. Izany no Ohatra tsara tokony arahintsika.

Paoly dia niteny hoe « Tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amin'ny nofoko... Indrisy olo-mahantra aho » (Rom. 7:18,24). Izany no nananany firehetampo hanadio ny tenany tanteraka. Izany fanambarana momba ny fahalovan'ny nofontsika izany koa no ilaintsika. Amin'izay ihany isika vao afaka hitady « hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra », ary tahaka izany no hitehirizana ny Fiangonana amin'ny fahadiovana ( 2 Kor. 7:1).

Ny foto-pampianarana madio izay inoantsika sy toriantsika dia mora mivadika ho endrika fahatahorana an'Andriamanitra fotsiny, fa tsy omban'ny hery, rehefa raisintsika ho fampianarana izy ireny. Tsy maintsy mihoatra lavitra noho izany ireny amintsika fa tsy mijanona ho fampianarana fotsiny. Tsy maintsy tonga fanambarana amintsika izy ireny, fanambarana izay mitombo hatrany eo amin'ny fiainantsika. Arakaraky ny iatrehantsika bebe kokoa amin'ny fahatokiana ny ady amin'ny fakam-panahy, any amin'ireo sehatra isan-karazany eo amin'ny fiainana, no andraisantsika bebe kokoa ny fanambarana avy amin'ny Fanahy Masina any amin'ny sehatra maro (sehatra misy tsi-fanahafantsika an'i Kristy ao amin'ny fiainantsika anaty) izay tokony anadiovantsika tena.

Raha tsy misy an'izany fanambarana tsy tapaka izany dia tsy azo atao ny manorina ny fiangonana, na ny Tenan'i Kristy. Ny « fahamasinana » azontsika tsy niaraka tamin'izany fanambarana milaza ny fahalovan'ny nofontsika izany dia hahatonga antsika hitovy amin'ireo olomasin'ny Testamenta Taloha fotsiny (raha tsara indrindra), manana ny fahamarinan'ny Lalàna ety ivelany. Mety hahazoantsika laza eo amin'ny mpiray finoana amintsika izany, kanefa tsy ho « tanteraka eo anatrehan'Andriamanitra » ( Apok. 3:1,2).

Raha tsy « mahita » an'i Jesosy ho Fianarana ho antsika isika amin'ny fotoanan'ny fakam-panahy, dia tsy maintsy manaiky isika fa olona mihemotra.