WFTW Body: 

Raha hitan'Andriamanitra fa ataon'ny mpino anankiray tsirambina ny fahatahorana an'Andriamanitra (ny toe-panahy araka an'Andriamanitra), na raha hitan'Andriamanitra fa saro-tahotra ilay mpino, izany hoe tsy sahy mijoro amin'ny fahamarinana (izay hitany tao amin'ny Baiboly), matahotra ny fanakianana ataon'ny hafa, dia hafenin'Andriamanitra aminy ilay fahamarinana. Satria izany fahamarinana izany dia antsoina hoe «zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra » (1 Timoty 3:16). Andriamanitra dia tsy manambara ny zava-miafin'Andriamanitra afa-tsy amin'ny olona izay matahotra Azy ihany (Salamo 25:14). Tena mampididoza ny hakanosana amin'ny zavatra mikasika an'Andriamanitra, satria « ny kanosa » dia tafiditra ao amin'ny lisitry ny olona hariana voalohany any amin'ny farihy mirehitra afo voalaza ao amin'ny Apokalipsy 21:8. Ary ireo kanosa dia mialoha an'ireo « mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy » mihitsy aza !

Izao no nolazain'i Martin Luther : « Raha mitory amin'ny feo mahery aho fa mino ireo fahamarinan'Andriamanitra rehetra, kanefa mangina tsy miteniteny ny fahamarinana iray izay tafihan'ny devoly amin'io fotoana itoriako io, dia tsy tena manaiky an'i Kristy aho. Amin'ny fotoana iatrehany ny ady mavaivay indrindra, no hitsapana ny tsi-fivadihan'ny miaramila. Ary ny tsi-fivadihana any amin'ireo sehatry ny ady rehetra dia zava-poana sy zava-mahamenatra, raha tsy mamahatra tsara ilay miaramila amin'ny fotoana izay tena iatrehany ady anankiray».

Ny manodidina ilay fahamarinana hoe « Kristy dia efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika kanefa tsy nanana ota » no tena ady mivaivay natrehan'ny fiangonanay taty Inde nandritra izay 43 taona lasa izay. Kanefa dia nijoro izahay ho «andry sy fiorenan'izany fahamarinana izany » (1 Timoty 3:15) ary nanambara izany tamim-pahasahiana sady tsy nisy henatra. Ary efa hitanay ny vokatr'izany tamin'ny fiovam-piainan'ny olona marobe.

Mariho tsara ao amin'ny 1 Timoty 3:16 fa ny zava-miafin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra dia tsy hita ao amin'ny « fampianaran'i Kristy naseho teo amin'ny nofo » fa ao amin'ny « Olona Kristy Ilay naseho teo amin'ny nofo ». Marobe ny olona no lasa Fariseo satria nijery an'izany tahaka foto-pampianarana, fa tsy nijery an'ilay Olona Kristy Izy Tenany. « Ny soratra (na dia ny foto-pampianarana marina aza) dia mahafaty. Ny Fanahy irery no mahavelona » (2 Kor. 3:6). Isika dia natao hampitodika ny olona any amin'i Kristy fa tsy any amin'ny foto-pampianarana.

Ny fanekentsika amin'ny fanahintsika (fa tsy amin'ny saintsika fotsiny - 1 Jaona 4:2) fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy dia midika voalohany indrindra fa mino amin'ny fontsika rehetra isika fa nalaim-panahy tahaka antsika izy, mino amin'ny fontsika rehetra fa tsy nandray fahefana avy tamin'ny Fanahy Masina mihoatra noho izay azontsika raisina Izy. Ary mino amin'ny fontsika rehetra fa afaka mandeha tahaka izay nandehanan'i Jesosy koa isika, raha toa olona tsy miroa fo (1 Jaona 2:6).

Midika koa izany fa ny fanahintsika dia maniry fatratra ny hanaraka ny dian-tongotr'i Jesosy, izany hoe tsy mitady velively ny tombontsoan'ny tenantsika ary tsy mitady velively ny hanao ny sitrapontsika. Mila fanambarana avy amin'ny Fanahy Masina isika mba hahatakarantsika ny fanabeazana (tamin'ny fankatoavany ny Rainy) izay norantovin'i Jesosy nandritra ny fotoana niainany tety an-tany, tamin'ny alalan'ireo fakam-panahy. Voasoratra fa « nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza » (Heb. 5:8) . Tena nahatoky tanteraka Izy tao anatin'ny ady tamin'ireo fakam-panahy rehetra tsirairay. Nahatoky koa Izy rehefa « naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy » (Isaia 53:12 ). Noho izany dia niseho nanerana ny Tenany ny fahafenoan'ny fiainan'Andriamanitra. Rehefa miezaka manatratra ny fahamasinana ny olona dia vitsy dia vitsy no tonga amin'izany hoe manidina ny ainy ho amin'ny fahafatesana izany. Ny antony dia vitsy dia vitsy no mahatoky eo imason'Andriamanitra, miady amin'ireo fahotana fantany rehetra eo amin'ny fiainany aloha voalohany indrindra.

Marobe ny mpino no tsy mahita ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainany satria tsy nahatakatra izany fahamarinana momba ny lalana vaovao sady velona izany, izay nosokafan'i Jesosy tamin'ny alalan'ny Nofony ( Hebreo 10:20). Nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy fantarintsika aloha ny marina ary rehefa avy eo « ny marina hanafaka antsika tsy ho andevo » (Jaona 8:32).