WFTW Body: 

Voalazan'ny Ohabolana 4:12 (Paraphrase) Hanokatra lalana eo alohanao Andriamanitra, amin'ny dingana tsikelikely. Tsy mila mahafantatra ny dingana roa eo anoloanao ianao. Raiso fotsiny ny dingana izay hitanao eo alohanao, avy eo dia ho hitanao ny dingana manaraka. Izany no hitarihan'Andriamanitra anao. Mety toa mihidy ny varavarana eo anoloanao. Rehefa manantona azy ireo anefa ianao, dia hisokatra ho azy izy ireo. Nefa tsy hivoha izy ireo raha tsy efa manakaiky azy ianao. Izany no hataon'Andriamanitra rehefa mitarika anao Izy. Koa aza misalasala na matahotra, raha mahita varavarana mihidy eo alohanao ianao. Mizora amin'ny dingana asehon'Andriamanitra anao ary mandrosoa. "Efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao", hoy ny Tompo "ka tsy misy maharindrina azy". (Apok. 3:8).

Voasoratra ao amin'ny Ohabolana 4:18 fa hanazava hatrany ny lalanao Andriamanitra.

Ny fahateraham-baovao eto dia ampitahaina amin'ny fiposahan'ny masoandro sy ny fiavian'i Kristy amin'ny mitataovovonana. Ny sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra ho anao dia ny hahatonga anao hitovy bebe kokoa hatrany amin'i Kristy amin'ny fiainanao isan'andro, manomboka amin'ny fahateraham-baovao ka hatrany amin'ny fiverenan'i Kristy. Izany no lalanan'ny marina - ary amin'io lalana io, dia hahazo fanambarana bebe kokoa momba ny tenin'Andriamanitra ianao izay manazava bebe kokoa momba ny fahalovana eo amin'ny fiainanao sy fahendrena bebe kokoa eo amin'ny toe-javatra hatrehinao. Raha mandeha amin'io lalana io ianao ka hanao izany dia aza mihemotra, toy ny masoandro izay tsy afaka mihemotra eo amin'ny lanitra.

Andriamanitra no niantso voalohany antsika mba hivavaka Aminy - izany dia midika fa tiany ho Azy irery isika. Ho hitanao amin'izay ny voninahitr'Andriamanitra tahaka ny nahitan'i Isaia azy. Avy hatrany dia hitan'i Isaia ny fahotan'ny tenany, dia ho tahaka izany koa ianareo ( Isaia 6:1-5 ).

Aoka ianao ho tena mpivavaka ary diovy, esory ireo faritra tsy mitovy amin'i Kristy izay ambaran'Andriamanitra aminao, eo amin'ny fiainanao. Andriamanitra dia hanao izany mba hahatonga anao handray anjara bebe kokoa amin'ny natiorany isan'andro. Rehefa mahita ny voninahitr'i Jesosy ao amin'ny tenin'Andriamanitra isika, ny Fanahy Masina dia manova antsika ho eo amin'ny ambaratongam-boninahitra anankiray ho eo amin'ny iray hafa mba hahatonga ny voninahiny ao anatintsika hitombo isan'andro (2 Kor. 3:18-18). Izany hoe, raha tafaray tanteraka amin'ny Fanahy isika, ny hosotra eo amin'ny fiainantsika dia ho bebe kokoa ankehitriny mihoatra noho ny taona vitsivitsy lasa, ary mihoatra noho ny 30 taona lasa.

Raha te hanao ny sitrapon'Andriamanitra isan'andro isika , dia tokony hanana fahazarana mihaino an'Andriamanitra isan'andro. Araka ny nolazain'i Jesosy momba an'i Maria (Lioka 10:42), ny zavatra iray tokony ilaintsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra dia ny mihaino ny Teniny. Ao amin'ny toko voalohany indrindra amin'ny Baiboly, dia mamaky isika fa Andriamanitra dia miteny ny Teniny isan'andro - ary vokatr'izany dia niova tsikelikely isan'andro ny tany. Raha tiantsika ny hiova ho tahaka an'i Kristy amin'ity taona ity, ny zava-dehibe indrindra ilaintsika dia ny mihaino sy mankato an'Andriamanitra isan'andro. Ny tsiambaratelon'ny fahatakarana ny Baiboly dia ny fananana fifandraisana akaiky amin'ny Tompo aloha voalohany indrindra. Ny Fanahy Masina dia afaka manazava ny hevitr'izay nomen'ny tsindrimandry ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Koa mandehana miaraka amin'i Jesosy, tahaka ny nataon'ireo mpianatra voalohany, ary maniria mafy Azy hiteny aminao. Dia hahiratra tahaka ny azy ireo ny masonareo, ary hirehitra tahaka ny azy ireo ny fonareo.

Ny ampahany amin'ny vatatsika izay fampiasantsika isan'andro dia ny lelantsika. Nampiasa ny lelany Jesosy mba hampahery ny hafa, ka nahatonga azy io ho fitaovan'ny fiainana eo am-pelatanan'Andriamanitra. Nilaza teny mampitony an'ireo reraka sy nanala vesa-po azy ireo Izy. Ary ny Isaia 50:4 dia milaza amintsika fa noho i Jesosy nihaino ny feon'ny Rainy isan'andro dia nanana teny ampy ho an'ny fanahy reraka rehetra izay nifanena Taminy Izy. Isika koa dia afaka manana asa fanompoana feno fitahiana toy izany ho an'ireo fanahy reraka manodidina antsika isan'andro, raha toa ka mitombo amin'ny fihainoana an'Andriamanitra isan'andro isika. Raha mandà ny fiteny tsy misy dikany rehetra isika ary misafidy ny tsy hiteny afa-tsy teny sarobidy amin'ny resaka andavanandro, dia hanome antsika ny teniny Andriamanitra ary hanao antsika ho vavany - tahaka ny nanaovany an'i Jeremia ( Jeremia 15:19 ).