WFTW Body: 

Indroa ihany Jesosy no niresaka momba ny fiangonana : ao amin'i Matio 16:18 sy 18:17-20. Ary tamin'ireo fotoana anankiroa ireo dia niresaka momba an'i Satana miady amin'ny fiangonana Izy. Tamin'ny fotoana voalohany i Jesosy dia niresaka an'i Satana manafika mivantana ny fiangonana amin'ny alalan'ireo miaramilan'ny fahafatesana ara-panahy, izany hoe amin'ny alalan'ireo fanahy ratsy. Tamin'ny fotoana faharoa dia niresaka an'i Satana mitady hanimba ankolaka ny fiangonana Izy, tamin'ny alalan'ny rahalahy anankiray izay nofitahiny sy nosamboriny, ary tsy fantatr'io rahalahy io akory fa efa lasa irak'i Satana izy. Kanefa, na fomba inona na fomba inona ampiasain'i Satana, dia efa nomen'Andriamanitra antsika ny fahefana hamatotra ny asan'i Satana, sy hanafaka ireo olona nataony sambo-belona (Matio 16:19 ; 18:18 ; 2 Tim. 2:26). Tsy maintsy ampiasaintsika amin'ny fahasahiana rehetra izany fahefana izany ao am-piangonana.

Nolazain'i Jesosy fa ny fiangonana izay aoriny dia manana marika anankiray mampiavaka azy : handresy ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita (miaramilan'ny fahafatesana ara-panahy) izy. Etsy an-danin'izany, raha misy fiangonana resin'ny miaramilan'ny fahafatesana ara-panahy, izany hoe resin'ny fialonana, ny fifandirana, ny fitiavana mifaninana, ny fitiavam-boninahitra, ny fijangajangana, ny fitiavam-bola, ny fitiavana izao fianana izao, ny lolompo, ny avonavona, ny fieboeboana, ny toe-tsain'ny fariseo, sy ny sisa, dia azontsika antoka fa TSY fiangonana aorin'i Jesosy izany fiangonana izany.

Satana dia mitady foana izay hanapotehana ny fiangonana. Ary matetika ny fomba hanaovany an'izany dia ny fidirana antsokosoko ao am-piangonana amin'ny alalan'ireo irany. Joda dia miresaka an'ireo "olona sasany efa niditra misokosoko" ao am-piangonana (and. 4). Tahaka an'ireo Gibeonita izay namitaka an'i Josoa ( Josoa 9), dia marobe amin'izao andro izao ireo efa namitaka ny loholona sy milaza tena ho mpianatra ary miditra antsokosoko ao afovoan'ireo fiangonana. Fa ahoana no nahavitan'izy ireo namitaka ny loholona ? Satria angamba nivanàka tamin'ny haren'izy ireo ny loholona, na nandray vola tamin'izy ireo na gaga tamin'ny toerana ambony nisy azy ireo. Ao amin'ireo antokom-pinoana babyloniana rehetra, dia ny olona manana toerana ambony sy manankarena no manan-kery amin'izay fanapahan-kevitra raisina ao amin'ny fikambanana misy azy, eny na dia tsy loholona akory aza izy ireo. Kanefa tsy azontsika avela hisy an'izany eo afovoantsika. Raha tsy mitandrina anefa isika dia hiditra ao amin'ny fiangonantsika koa ny Gibeonita.

Deraintsika ny Tompo satria miambina antsika tsy tapaka Izy mba hiaro antsika amin'ny fanafihan'i Satana tahaka izany. " Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, dia miari-tory foana ny mpiambina " (Salamo 127:1). Rehefa miara-monina amin'ny firaisam-po ihany ny mpirahalahy vao didian'ny Tompo ho eo ny fitahiany (Salamo 133:1), ary ny fiangonana miray hina ihany no afaka handresy ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita. Noho izany ny Fanahy Masina dia miasa mahery eo afovoantsika mba hitahiry antsika ao amin'izany firaisana izany.

Isak'ireo fahitana tany an-danitra izay miisa fito, ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy, dia hitantsika ireo mponin'ny lanitra fa midera an'Andriamanitra tsy tapaka amin'ny feo mahery, indraindray ny feony dia tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy sy ny firohondrohon'ny ranobe. Izany no rivotra iainan'ny lanitra, rivotry ny fiderana tsy tapaka, tsy misy fimenomenonana, tsy misy fangatahan-javatra. Ary izany koa no rivotra irian'ny Fanahy Masina entina ao am-pontsika, ao an-tokantranontsika ary ao am-piangonantsika. Amin'ny fanaovany an'izany dia voaroaka hiala amin'ireo toerana rehetra ireo i Satana.

Satana dia efa nampahalemy ny ankamaroan'ny kristiana, ary efa tsy nampahomby ny ady ara-panahy nataon'izy ireo taminy, satria efa nampidiran'i Satana otrikaretin'ny fimonomononana sy fitarainana noho ny amin'ireo rahalahiny sy anabaviny, ireo havana aman-tsakaizany, ireo toe-javatra samy hafa, ary na dia noho ny amin'Andriamanitra mihitsy aza.

Misy teny anankiray mahafinaritra be voasoratra ao amin'ny Apokalipsy 12:8 milaza fa tsy nisy fitoerana ho an'i Satana sy ny devoliny intsony tany an-danitra. Tsy maintsy marina eo amin'ny fiainantsika koa izany : ao am-pontsika, ao an-tokantranontsika ary ao amin'ny fiangonantsika. SATANA SY NY FORONGONY DIA TSY MAHAZO MAHITA FITOERANA AO AMIN'IREO TOERANA IREO.

Maharesy an'i Satana isika rehefa mankato an'ireto fananarana ireto : Aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho TENA IRAY, ary aoka ho feno fisaorana ianareo (Kol. 3:15 ). Mananatra voalohany indrindra aho mba atao izay fisaorana HO AN'NY OLONA REHETRA" (1 Tim. 2:1). Misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva NOHO NY ZAVATRA REHETRA, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ( Efe. 5:20). Voalohany indrindra dia anarina isika ho feno fisaorana ny olona rehetra izay nantsoin'Andriamanitra ho Tenan'i Kristy. Raha isika mantsy no navela hisafidy dia mety tsy nantsointsika ny ankamaroan'ireo izay nantsoin'Andriamanitra, indrindra ireo izay any amin'ny fikambanana hafa ankoatry ny antsika !!! Kanefa ny fahendren'Andriamanitra dia avo lavitra noho ny fahendrentsika, tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany, mazava ho azy fa hafa tanteraka ny fiheveran'Andriamanitra azy ireny fa tsy mitovy amin'ny fiheverantsika. Ary raha hendry isika, dia ampitoviantsika amin'ny fisainan'Andriamanitra ny fisainantsika. Ianarantsika voalohany aloha ny misaotra ny rahalahy sy anabavy ao amin'ny Tenan'i Kristy, izay isika vao afaka hianatra hisaotra ny olona rehetra, ary hianatra hisaotra noho ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainantsika. Fantatsika fa ny Raintsika izay any an-danitra no mandidy manapaka ny olombelona rehetra sy ny toe-javatra rehetra. Raha tena inoantsika marina izany, dia hidera an'Andriamanitra mandrakariva tokoa isika, ary amin'izany dia porofointsika fa ny fanjakantsika dia any an-danitra fa tsy eto amin'izao tontolo izao. Koa tsy hanana hery amelezana antsika i Satana. Amin'izay ihany isika vao hahavita hanafika an'i Satana amin'ny fomba mahomby.