WFTW Body: 

Hamafisina imbetsaka ny fifaliana ao amin'ny taratasy ho an'ny Filipiana "amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra ka mangataka amin'ny fifaliana" (Fil 1:4) ary koa "Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo, hoy izaho indray Mifalia" (Fil 4:4)

Filipiana dia nosoratan'i Paoly tao am-pigadrana (Fil 1:13). Fampieritreretanba ho antsika ny nanoratany be dia be mikasika ny fifaliana kanefa izy tao am-ponja. Mora ny mitory momba ny fifaliana rehefa misosa mora ny fiainana. Fa tsy mora kosa ny manoratra an'izany rehefa ao anaty ady mangotraka. Paoly dia mampianatra antsika fa azon'ny kristiana atao tsara ny miaina am-pifaliana na inona na inona zavamitranga. Izany no fanahy sy saina tao amin'i Kristy.

Ny alina talohan'ny nanombohana azy no niresahan'i Jesosy momba ny fifaliana betsaka indrindra (Jaona toko 15 sy 16). Tamin'ny fisakafoanana hariva, dia hoy izy tamin'ny mpianany "Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo ... ho tanteraka ny fifalianareo ... ary tsy misy manaisotra ny fifalianareo, mangataha dia ... tanteraka ny fifalianareo". Ora vitsy talohan'ny nanamelohana azy sy nanomboana azy ankarihary tahaka ny mpanao meloka izany. Kanefa dia indro izy mbola mandehandeha mizara ny fifaliany sady mampahery ny hafa !!!

Izany fanahy sy saina tao amin'i Kristy izany no tao amin'i Paoly. Feno fifaliana izy tao am-ponja. Mety ho trano fifatorana no nitazonana azy tamin'ny fotoana nanoratany io taratasy io (Asa 28:16,30,31), mety tena fonja romana koa anefa. Ny fonjan'ny Romana tamin'izany andro izany dia tranomaizina tsy misy jiro, feno voalavo, moka ary biby mandady maro. Ny mpigadra anefa natory tamin'ny tany sady nijaly sakafo. Iray tamin'ireo toerana ireo no nisy an'i Paoly tamin'izany ary samy toerana tsy mahate honina. Kanefa tao anatin'izany toe-javatra izany dia feno fifaliana Paoly. Ny fitoriana ny filazantsara no antony nanagadrana azy. Kanefa tsy nitomany tamin'ny nanjo azy izy, tsy nila olona hangoraka azy izy, Feno fifaliana izy.

Tena modely tokoa izany Paoly izany ho an'ireo kristiana maro miadam-pinaritra ka miferinaina raha vao misy tsy fetezan-javatra kely fotsiny. Impiry impiry akory isika no mahita mpivavaka te hotserana satria tojo olana kely na miatrika ady kely. Paoly tsy nanisy teny na kely monja aza mikasika ny fijaliany. Hoy izy "Misaotra an'Andriamanitra amin'ny fahatsiarovako anareo mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana " (Fil 1 : 3,4). Mety avy nampijalian'ny moka nandritra ny alina izy no nanoratra izany teny izany, mety ho niharitra ny hatsiaka fa tsy nisy lamba notafiana. Tsy avy tamin'ny toejavatra nolalovany ny fifaliany, fa avy tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra izay hitany tao amin'ireo mpivavaka tao Filipy.

Taona maro talohan'izao dia nirahin'ny Tompo tamin'ny alalan'ny fahitana izy hankany Filipy (Asa 16:9-12). Nanaraka ilay fahitana izy, nandeha izy ary nitondra olona maro ho an'ny Tompo. Ary nogadraina tao Filipy koa izy. Mety ho ilay mpiambina tranomaizina niova fo tao izao no lasa loholona ao amin'ny Fiangonan'ny filipiana, mety ho niteny tamin'ny olona tao izy hoe "Izaho efa nahita an'io lehilahy io feno fifaliana tao am-pigadrana". Ny fifalian'i Paoly dia vokatry ny nanolorany ny fiainany hampiasain'ny Tompo. Rehefa eo ambavahoana ianao, ny zavatra hitondra fifaliana ho anao dia izao, fony ianao nomen'Andriamanitra fahasalamana sy tanjaka, ny fiainanao dia nolanianao tamin'ny fanompoana azy, tamin'ny fitaomana olona ho an'ny Fanjankany , tamin'ny fananganana ny Fiangonany. Eritrereto izany dieny izao, ka rehefa tonga ny faran'ny andronao dia hisaotra an'Andriamanitra tahaka an'i Paoly ianao ny amin'izay rehetra vitany noho ny fiainanao

Ao amin'ny Filipiana 4:4 dia manainga antsika ny Fanahy Masina "Mifalia MANDRAKARIVA ao amin'ny Tompo", tsy hoe indraindray na amin'ny ankapobe fa mandrakariva. Io andininy io dia tena nahatonga saina ahy taona maro lasa izay. Niaiky aho mantsy fa tsy mba tanteraka teo amin'ny fiainako izay lazain'io andininy io. Ary izany no nangatahiko tamin'ny Tompo. Rahoviana ianao no te ho salama, indraindray ihany ve sa amin'ny ankapobeny sa amin'ny fotoana rehetra ? Isika rehetra dia te ho salama mandrakariva. Dia mitovy amin'izany koa, tianao ve ny ho faly tsindraindray, sa amin'ny ankapobeny sa ho faly amin'ny fotoana rehetra ? Hiteny ianao hoe "Mety hisy ve izany" Mety hisy izany amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Tsy ho nanome antsika izany didy izany Andriamanitra raha fantany fa tsy azo tanterahina izany. Raha tahiny ka tsy mbola tanteraka eo amin'ny fiainanao izany dia aoka ianao hitsotra ka hampahafantatra ny Tompo ny marina. Mangataha aminy hamenoany anao ny Fanahy Masina sy hampianarany anao fa ankoatran'i Kristy dia fakofako ny zavatra rehetra. Dia HAHAY mifaly ianao amin'ny fotoana rehetra. Ary ireo toloko sy taraina sy toreo marobe fahita eo amin'ny mpivavaka dia vokatry ny tsy fahitany fa fakofako ny zavatry ny tany, ankoatran'i Kristy. Koa tsy hahay mifaly mandrakariva velively izy ireo. Paoly dia nofatorana tao amin'ny tranomaizina maimbo lo tany Roma tamin'izy nanoratra ireo teny ireo. Raha vitan'i Paoly ny nifaly tao anatin'ny fisedrana nolalovany, nahoana no tsy ho vitantsika ?