WFTW Body: 

Misy lesona iray lehibe azontsika tsoahina avy amin'ny tantaran'ny fiangonana. Na oviana na oviana Andriamanitra no te hanao zavatra ho an'ny olony dia atombony amin'ny lehilahy anankiray foana izany. Tsy maintsy nitady lehilahy anankiray mifanaraka amin'ny eritreriny aloha Izy vao afaka nanavotra ny zanak'Israely. Ny famolavolana io lehilahy io dia naharitra 80 taona, ary tsy vitan'ny hoe famolavolana ara-pahaizana fotsiny. Mosesy dia nampianarina tao amin'ny Sekoly ambony indrindra tany Egypta kanefa tsy azo nekena hanao ny asan'Andriamanitra izy. Ao amin'ny Asan'ny Apostoly toko 7 no nilazan'i Stefana fa i Mosesy dia lehilahy nahery tamin'ny teny sy ny asa. Lehilahy tomady izy sady nahay nandaha-teny tamin'ny faha 40 taonany. Mpitari-tafika nalaza koa izy, mpanefoefo sady nandray ny fampianarana faran'ny tsara indrindra azo norantovina tany amin'ny firenena nandroso indrindra tamin'izany andro izany. Egypta mantsy no firenena natanjaka indrindra eran-tany tamin'izany. Na dia nahazo izany rehetra izany aza izy dia tsy mendrika hanompo an'Andriamanitra. Araka ny voalazan'i Stefana dia nihevitra mihitsy Mosesy fa heken'ny zanak'israely ho irak'Andriamanitra hamonjy azy ireo izy. Kanjo tsy nanaiky an'i Mosesy ho mpitarika azy velively ireo zanak'israely. Na ny laza rehetra nananany na ny fahaizany dia samy tsy nanomana azy amin'ny asa izay efa nomanin'Andriamanitra ho azy.

Ankehitriny dia marobe ny kristiana no mihevitra fa afaka manompo an'Andriamanitra satria mahay Baiboly, manan-talenta amin'ny mozika ary manambola be. Kanefa diso hevitra izy ireo. Mila mandray lesona avy amin'ny fiainan'i Mosesy izy ireo : ireo taona 40 ngarangidina izay nandraisany ny zavatra tsara indrindra azon'izao tontolo izao nomena dia tsy nahavita nanomana an'i Mosesy hanao ny fanompoana an'Andriamanitra.

Noho izany dia voatery nalain'Andriamanitra sy nampitoeriny tany an'efitra Mosesy nandritra ny 40 taona manaraka, tontolo samy hafa tanteraka tamin'izay nahazatra an'i Mosesy tao an-dapa izany, izany no nataon'Andriamanitra dia mba hahatanteraka azy. Tsy maintsy notorotoroana aloha ny herin'olombelona tao aminy. Notanterahin'Andriamanitra teo amin'ny fiainan'i Mosesy izany tamin'ny nanaovany azy ho mpiandry ondry sy ny namelany azy hiara-mipetraka tamin'ny rafozan-dahiny, nandritra ireo 40 taona lavabe ireo. Ny fiarahana mipetraka amin'ny rafozana, na dia herintaona fotsiny aza dia efa fahafaham-baraka ho an'ny lehilahy ! Fantatro fa aty Inde dia miara-mipetraka amin'ny rafozan-dahiny ny vehivavy mandritra ny fiainany manontolo. Kanefa hafa mihitsy rehefa ny lehilahy no voatery miara-mipetraka amin'ny rafozany sady ambonin'izany mbola miasa ho an'ny rafozany koa. Tena fahafaham-baraka izany eo amin'ny fiainan'ny lehilahy ! Kanefa tamin'izany fomba izany no nanorotoroan'Andriamanitra an'i Mosesy. Tamin'izany fomba izany koa no nanorotoroan'Andriamanitra an'i Jakoba. Jakoba koa dia voatery niara-nipetraka tamin'ny rafozan-dahiny nandritra ny roapolo taona. Ampiasain'Andriamanitra ny rafozan-dahy sy ny rafozam-bavy mba hanorotoro ny zanak'Andriamanitra. Ny zavatra izay tsy hain'ny oniversite rehetra tany Egypta nampianarina dia nianaran'i Mosesy tany an'efitra, tany am-piandrasana ondry sy tamin'ny fanaovany asa ho an'ny rafozan-dahiny. Rehefa tapitra ireo 40 taona ireo dia torotoro fatratra Mosesy ka izy ilay nahay nandaha-teny taloha iny sy nihevitra fa hahavita hamonjy ny israely no nanao izao teny izao « Tompo ô, tsy mendrika aho, tsy mahay mandaha-teny aho, olon-kafa re irahina hitarika ny vahoakanao ». Tamin'izay fotoana izay Andriamanitra vao niteny hoe « Ela ny ela ka vonona ihany ianao. Hirahiko ho any amin'i Farao amin'izay ianao » ( Eksodosy 4:10-17).

Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny fiainan'i Mosesy sy Jakoba ? Tsotra fotsiny : Rehefa mihevitra ianao fa efa vonona amin'izay, dia tsy mbola vonona ianao izay. Rehefa mihevitra ny tenanao ianao fa mahay, matanjaka, manam-pahaizana, mahay mandaha-teny sy mihira ary mitendry zavamaneno, ary manao zavamahagaga ho an'Andriamanitra dia izao no tenin'Andriamanitra aminao « Tsy mbola mendrika ianao, tsy maintsy mbola miandry Aho aloha mandra paha torotoronao ». Ny fanorotoroana an'i Jakoba dia naharitra 20 taona, ny an'i Mosesy 40 taona, ny an'i Petera 3 taona ary ny an'i Paoly dia farafahakeliny 3 taona. Haharitra firy taona ny antsika ? Miankina amin'ny fahamaikanao mianatra manoa eo ambanin'ny tanamaherin'Andriamanitra izany. Izany no hafatra sy fampitandremana omena antsika. Mety manana fikasana ho an'ny fiainanao Andriamanitra. Kanefa tsy ho tontosa velively izany mandra-pahatorotoronao. Izay efa nokasain'Andriamanitra hataony aminao ao anatin'ny 10 taona dia mety ao anatin'ny 40 taona vao ho vitany. Noho izany dia mahasoa antsika ny manetry tena haingana dia haingana eo ambany tanamaherin'Andriamanitra izany hoe ao anatin'ireo zava-mitranga ampandalovan'Andriamanitra antsika.

Izao no voalazan'ny Fitomaniana 3:27 « Tsara amin'ny olona ny mitondra zioga (manetry tena sy manaiky torotoroina ), raha mbola tanora izy ». Mamelà an'Andriamanitra hanorotoro anao mandritra ny fahatanoranao. Aza misy toherinao ny zavatra avelan'Andriamanitra hitranga eo amin'ny fiainanao fa hampihemotra ny fikasan'Andriamanitra fotsiny izany. Tsy misy afaka mahatanteraka anao amin'ny fanompoana an'Andriamanitra na ny fahaizanao Baiboly na ny talentanao amin'ny mozika na ny volanao. Ny fahatorotoroana no tena ilaina. Raha tianao ny hanangana an'i Jerosalema, ilay fiangonana marina, dia tsy maintsy atao torotoro ianao. Tsy maintsy aetrin'Andriamanitra ianao amin'ny alalan'ny zavamitranga sy amin'ny alalan'ny olona. Raha tsy midrikina ianao ao anatin'ireny zavamitranga ireny dia ho haingana ny fiasan'Andriamanitra ao aminao.

Vakiantsika ao amin'ny bokin'ny Eksodosy toko 17 fa rehefa nokapohina ilay harambato vao nanomboka nivoaka ny rano. Raha tsy nokapohina ilay harambato dia tsy ho nisy rano nivoaka. Nisy vehivavy nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra. Rehefa novakiany teo an-tongotr'i Jesosy iny izay vao nanenika ny trano ny fofona manitra. Tsy nisy fofo-manitra raha tsy vaky ilay tavoara. Rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dia nisaotra Izy, kanefa tsy nisy na inona na inona nitranga. Fa rehefa novakiany kosa ny mofo, dia voky ny olona dimy arivo. Inona no hafatra azo raisina avy amin'ireo ohatra ireo ? Ny fanatorotoroana no fomba ahazoana fitahiana. Rehefa vakiana ny atôma dia endre izany herinjiro avoakany ! Afaka manome jiro tanan-dehibe iray manontolo. Eritrereto ange izany habetsaky ny herinjiro mivoaka rehefa vakiana ny atôma kely, na dia bitika dia bitika aza izy ka tsy hita amin'ny mikroskopy akory. Ny hafatra raisintsika avy amin'ny zava-boahary dia mitovy ihany amin'ny hafatra raisintsika avy amin'ny Baiboly, tsy inona izany fa izao : ny herin'Andriamanitra dia mivoaka amin'ny alalan'ny fanatorotoroana. Enga anie izao hafatra izao hamahatra ny fiainanao.