WFTW Body: 

Ny toetra iavahan'ny ankohonan'Andriamanitra dia ny fandinihan-tena ( 1 Petera 4:17). Izany fandinihan-tena izany dia vokatry ny fitoeranao mandrakariva eo anatrehan'Andrimanitra. Isaia, Joba ary Jaona dia samy nahita ny tenany fa olom-poana sy mpanota rehefa nanatri-maso an'Andriamanitra (Jereo Isaia 6:5; Joba 42:5-6 ; Apo. 1:17).

Rehefa naniratsira ny fahamasinan'Andriamanitra Adama sy Eva dia noroahina avy tao amin'ny sahan'i Edena. Taorian'izany dia nampitoerin'Andriamanitra tao Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby, hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina. Io hazon'aina io dia fanehoana an-tsary ilay fiainana mandrakizay (ilay toetran'Andriamanitra). Ny hanome izany ho antsika no nahatongavan'i Jesosy. Ny sabatra dia fanehoana an-tsary ny hazo fijaliana izay tsy maintsy mamono mahafaty ny ain'ny nofontsika aloha, izay isika vao hahazo anjara amin'ilay toetran'Andriamanitra. Raha ny marina dia Jesosy no nianjeran'ilay sabatra voalohany. Kanefa efa voahombo niaraka tamin'i Kristy koa isika (Gal. 2:20). Ary koa « Izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana » (Gal. 5:24).

Tahaka ireo kerobima ireo dia tsy maintsy mampiasa io sabatra io koa ny loholon'ny fiangonana ary mitory fa ny lalana tokana mankany amin'ny fiainana mandrakizay dia amin'ny alalan'ny fahafatesan'ny nofo. Ny lalana hiverenana mankany amin'ny firaisam-po amin'Andriamanitra dia amin'ny alalan'io sabatra io. Ary satria tsy ampiasain'ny olona io sabatra io ao am-piangonana, dia tsy mahagaga raha be dia be ny mpiangona no tsy mahafatra-po. Efa nitsahatra tsy ho vavombelon'ny tenan'i Kristy intsony izy ireo.

Ao amin'ny bokin'i Nomery 25:1 dia vakiantsika ny fotoana izay nanombohan'ny Israely « nijangajanga tamin'ny zanakavavin'ny Moabita ». Nisy anankiray tamin'ny Zanak'israely mihitsy aza no nitondra vehivavy midianita tao an-dainy (Nomery 25:6). Ary efa saika ringana mihitsy ny firenena Israely raha tsy nisy an'ilay mpisorona anankiray izay nanavotra azy tamin'io andro io, tsy iza izany fa i Finehasa. Nirehitra loatra ny fony tamin'ny fitiavany ny voninahitr'Andriamanitra, ka avy hatrany dia nandray lefona izy. Narahiny hatrany an-dainy ilay lehilahy israelita sy ilay vehivavy, ary nataony indray nandefona izy roroa (Nomery 25:7,8). Noho izany dia natsahatr'Andriamanitra ny areti-mandringana (Nomery 25:9). Fa mandra-pahavitany an'izany dia efa olona efatra arivo amby roa alina sahady no maty. Haingana dia haingana loatra ny fiparitak'ilay areti-mandringana koa raha tsy nisy an'i Finehasa, ilay « kerobima nampiasa sabatra » tamin'io andro io, dia ho nahafaty ny olona rehetra tao amin'ny tobin'ny Israely ny areti-mandringana.

Hitanao amin'izay ve ny maha sarobidy an'izany hoe manana « kerobima mbamin'ny sabatra » izany ao amin'ny fiangonana tsirairay ?

Ankehitriny dia efa miparitaka haingana dia haingana ny areti-mandringana ao amin'ny tontolo kristiana, satria tsy ampy ireo Finehasa mahay mampiasa sabatra. Be loatra ireo loholona sy mpitory fivavahana izay mpila dera amin'olona ka mamporisika antsika mandrakariva « mba hitia ny midianita ». Ny devoly dia handresy lahatra antsika amin'ny hevitra maro mba tsy hampiasantsika ny sabatra ao am-piangonana. Hanome andinin-tsoratra Masina mihitsy aza izy mba hanamarinany izay lazainy, tahaka ny nanomezany andinin-tsoratra Masina tamin'i Jesosy.

Inona moa ny soa azon'i Finehasa ho an'ny tenany tamin'ny nampiasany ny sabatra ? Tsy nisy. Etsy an-danin'izany anefa, be dia be ireo zavatra tsy maintsy nafoiny, indrindra indrindra ny lazany hoe olona tsara sy malemy fanahy !! Nihatra aminy koa izao ny fosafosa sy ny fahatezeran'ny havana aman-tsakaizan'ilay maty. Kanefa dia ny voninahitra sy ny lazan'ny anaran'Andriamanitra no nandrisika an'i Finehasa. Ary nametahan'Andriamanitra tombo-kase toy izao ny ministeran'i Finehasa : « firehitra noho ny fitiavany Ahy izy » (Nomery 25:11). Rehefa natao ny fandinihana rehetra dia tsy misy afa-tsy ny tombo-kasen'Andriamanitra ihany no zavadehibe indrindra. Dia mbola nanambara ny amin'i Finehasa ihany Andriamanitra nanao hoe « Indro, omeko azy ny faneken'ny fihavanako ... satria nirehitra noho ny fitiavany an'Andriamaniny izy » (Nomery 25:12,13).

Tsy ahitana fihavanana ao anatin'ireo fiangonana marobe ankehitriny satria amin'ny fomban'olombelona no ampihavanany ny olona, fa tsy amin'ny fampiasana ny sabatr'Andriamanitra. Ady sy fifandirana no aterak'izany. Ny fihavanan'i Kristy dia tsy azo omena raha tsy miaraka amin'ny sabatra (izay mamono ny ain'ny nofo), na any an-tokantrano izany na any am-piangonana.

Ireo mpitondra fiangonana dia tsy maintsy mirehitra amin'ny fitiavana ny voninahitry ny anaran'Andriamanitra raha tiany ho voatahiry amin'ny fahadiovana ny fiangonany.

Ny mpitondra fivavahana mirehitra toy izany dia tsy hanampo intsony ny hoderain'ny olona hoe tsara sy malemy fanahy, tsy hisy zavatra ahiany na inona na inona afa tsy ny voninahitry ny anaran'Andriamanitra irery ihany.

Ny firehetan'ny fon'i Jesosy tamin'ny fitiavany ny voninahitry ny anaran'Andriamanitra no nahatonga Azy handroaka ireo mpanakalo vola sy mpivarotra voromailala teo an-kianjan'ny tempoly. Ny firehetan'i Jesosy ny amin'ny tranon'Andriamanitra no naharitra aina Azy (Jaona 2:17). Izany dia ampahany iray tena lehibe amin'ny hoe fanahafana an'i Kristy. Kanefa olona iza moa no ho liana amin'izany fanahafana an'i Kristy izany raha toa ka ho halam-bahoaka sy hataon'ny olona tsinontsinona izy amin'izany ?